Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 21:6 - Baiboly Katolika

Ary i Iaveh tamin’izay nandefa bibilava mahamay hamely ny vahoaka: nokaikerin’ireny ny vahoaka ary nahafatesana betsaka ny olona tamin’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary NY TOMPO nampandeha menarana mandoro teny amin’ny olona; nanaikitra ny olona ireny ka nahafatesana be tamin’ny Israely.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa nandefasan’ny TOMPO bibilava misy poizina ny vahoaka; ary nokekerin’ireo bibilava ireo ny Israelita ka marobe no maty noho izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa nandefasan’ny TOMPO bibilava misy poizina ny vahoaka; ary nokekerin’ireo bibilava ireo ny Israelita ka marobe no maty noho izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Jehovah dia nampandeha ny menaran-afo teny amin’ny olona, ka nanaikitra ny olona ireny; dia nahafatesana be ny olona Isiraely.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Jehovah dia nampandeha ny menaran'afo teny amin'ny olona, ka nanaikitra ny olona ireny; dia nahafatesana be ny olona Isiraely.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary NY TOMPO nampandeha menarana mandoro teny amin’ny olona; nanaikitra ny olona ireny ka nahafatesana be tamin’ny Israely.

Jereo ny toko



Nomery 21:6
8 Rohy Ifampitohizana  

Aza manaram-po amin’ny fifaliana, ry Filistinina manontolo, noho ny nahatapahan’ny tsora-kazo namely anao; fa hisy menarana hateraky ny tarana-bibilava ary dragona manidina no haterany.


Faminaniana ny amin’ireo bibin’i Negeba: Izy ireo mamakivaky ny tany mampahory sy mampitebiteby, izay ivoahan’ny liona aman-diona vavy, ny menarana sy ny dragona manidina, mitondra ny hareny eny an-damosin’ny ampondra, sy ny rakiny eo amin’ny trafon’ny rameva, ho an’ny firenena tsy mahefa na inona na inona.


Fa indro alefako hamely anareo ny bibilava sy ny aspìka, izay tsy leon’ny ody fankatoavana; dia hanaikitra anareo ireny, - teny marin’i Iaveh. -


Raha mandefa biby masiaka amin’ny tany Aho, ka ilaozan’ny mponina sy zary efitra tsy halehan’ny olona na iza na iza azon’izany biby izany,


Eny, aoka isika tsy haka fanahy an’i Kristy, tahaka ny nakan’ny sasany tamin’ireny fanahy Azy, ka matin’ny bibilava izy ireny;


izay nitondra anao tany amin’ny efitra lehibe sy mahatahotra misy bibilava mivaivay sy maingoka, amin’ny fitoerana ngàzana sy tsy misy rano; izay nampiboiboika rano ho anao, avy amin’ny vatolampy mafy indrindra,