Nataon’Andriamanitra hoe tany ny maina, ary nataony hoe ranomasina ny rano tafangona, ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
Nomery 20:29 - Baiboly Katolika Ary i Aarôna dia maty tao an-tampon’ny tendrombohitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nony hitan’ny fiangonana manontolo fa maty i Arona dia nitomany azy nandritra ny telopolo andro izy, dia ny taranak’Israely rehetra. DIEM PROTESTANTA Rehefa tsinjon’ny fiangonana manontolo fa maty i Aharôna, dia nisaona azy nandritra ny telopolo andro ny taranak’i Israely rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa tsinjon’ny fiangonana manontolo fa maty i Aharôna, dia nisaona azy nandritra ny telopolo andro ny taranak’i Israely rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy Koa nony hitan’ny fiangonana rehetra fa maty Arona, dia nisaona azy telo-polo andro izy, dia ny taranak’Isiraely rehetra. Malagasy Bible Koa nony hitan'ny fiangonana rehetra fa maty Arona, dia nisaona azy telo-polo andro izy, dia ny taranak'Isiraely rehetra. La Bible en Malgache Nony hitan’ny fiangonana manontolo fa maty i Arona dia nitomany azy nandritra ny telopolo andro izy, dia ny taranak’Israely rehetra. |
Nataon’Andriamanitra hoe tany ny maina, ary nataony hoe ranomasina ny rano tafangona, ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
Ka ny mazava nataony hoe andro. Ary ny maizina kosa alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina. Izay no andro voalohany.
Ary i Sarà dia maty tany Kiriatarbe, dia Hebrôna izany, any amin’ny tany Kanaana; ka tonga i Abrahama hisaona an’i Sarà sy hitomany azy.
Nony tonga teo am-pamoloan’i Atada ao andafin’i Jordany izy ireo dia nitomany amam-pigogogogoana mafy, fa nanokana hafitoana hanaovana fisaonana ho voninahitry ny rainy i Josefa.
Efapolo andro no nanaovan’ireo an’izany, fa izany no fetr’andro fanosoram-paty. Ary fitopolo andro no nisaonan’ny Ejiptianina azy.
Nisaona an’i Môizy telopolo andro tao amin’ny tany lemak’i Moaba ny zanak’i Israely ka tapitra ny andro fitomaniana tamin’ny fisaonana an’i Môizy.
Ary maty i Samoela ka nivory i Israely rehetra dia nitomaniany izy sy naleviny tao amin’ny fonenany, any Ramà. Tamin’izany dia nitsangana i Davida ary nidina nankany an’efitr’i Faràna.