Raha lehilahy tsy noforàna tamin’ny nofony, dia hoesorina amin’ny fireneny, fa nivadika ny fanekeko.»
Nomery 19:20 - Baiboly Katolika Fa ny olona izay tonga maloto, nefa tsy manadio tena, dia hoesorina amin’ny fiangonana, satria mandoto ny Fitoerana masin’i Iaveh. Satria tsy nofafazana ny rano manafaka ny loto izy, dia maloto. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ny olona izay voaloto kosa ka tsy nanadio ny tenany dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fiangonana satria nandoto ny fitoerana masin’NY TOMPO izy; tsy nafafy taminy ny rano fanadiovana, koa maloto izy. DIEM PROTESTANTA «Fa izay olona naloto nefa tsy nanao fidiovan-tena dia hoesorina tsy ho isan’ny fiangonana israelita satria handoto ny Toeramasin’ny TOMPO izy; tsy nofafazana rano fanadiovana izy, ka dia maloto. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Fa izay olona naloto nefa tsy nanao fidiovan-tena dia hoesorina tsy ho isan’ny fiangonana israelita satria handoto ny Toeramasin’ny TOMPO izy; tsy nofafazana rano fanadiovana izy, ka dia maloto. Baiboly Protestanta Malagasy Fa ny olona izay naloto ka tsy nanadio ny tenany dia hofongorana tsy ho amin’ny fiangonana, satria nandoto ny fitoera-masin’i Jehovah izy; ny rano fanadiovana tsy nafafy taminy: maloto izy. Malagasy Bible Fa ny olona izay naloto ka tsy nanadio ny tenany dia hofongorana tsy ho amin'ny fiangonana, satria nandoto ny fitoera-masin'i Jehovah izy; ny rano fanadiovana tsy nafafy taminy: maloto izy. La Bible en Malgache Fa ny olona izay voaloto kosa ka tsy nanadio ny tenany dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fiangonana satria nandoto ny fitoerana masin’NY TOMPO izy; tsy nafafy taminy ny rano fanadiovana, koa maloto izy. |
Raha lehilahy tsy noforàna tamin’ny nofony, dia hoesorina amin’ny fireneny, fa nivadika ny fanekeko.»
Na zovy na zovy hanamboatra tahaka an’io na hanosotra izany amin’ny olona tsy fanosotra azy, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny.»
Ampianaro hidio amin’ny fahalotoany ny zanak’i Israely, sao ho faty noho ny fahalotoany izy, amin’ny fandotoany ny Fonenako izay eo afovoany.
Ny olona rehetra amin’ny taranak’i Aarôna, izay azon’ny habokana na marary mitsîka dia tsy hihinana ny zava-masina mandra-pahadiony. Torak’izany koa izay nikasika olona voaloto, nikasika fasika, izay nandeha rano maloto,
Fa na tompon-tany na vahiny, ka sahy manao fanahy iniana kosa, dia olona maniratsira an’i Iaveh izany, ka hoesorina eo amin’ny fireneny.
Izay hikasika faty, dia ny vatan’olona efa maty, nefa tsy hanadio tena, dia mandoto ny Fonenan’i Iaveh, ka hoesorina amin’i Israely izany olona izany. Satria tsy nofafazana ny rano manafaka ny loto izy, dia maloto ary ny fahalotoany dia mbola eo aminy ihany.
Raha olona madio sady tsy misy dia nalehany, no tsy mankalaza ny Paka, dia hoesorina amin’ny fireneny izy; noho izy tsy nanolotra ny fanatitra ho an’i Iaveh amin’ny fotoana voatendry dia hilonjy ny fahotany izy.
Amin’ny fiandrasana izany, dia ataovy izay tratry ny ainareo, mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro ary mihavana tsara no hahitan’ny Tompo anareo.
Ka ny olon-dratsy avelao hanao ratsy ihany; izay maloto avelao hihamaloto ihany. Fa ny olo-marina kosa, aoka hihamarina kokoa, ary ny efa masina aoka hihamasina kokoa.