Nomery 17:25 - Baiboly Katolika Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Avereno ho eo anoloan’ny vavolombelona ny tehin’i Aarôna, hotahirizina ho famantarana ho an’ny zanaky ny fikomiana, mba hampitsaharanao ny fimonomonònan’izy ireo eo anatrehako, mba tsy ho faty izy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Avereno ho eo anoloan’ny Vavolombelona ny tehin’i Arona, hotahirizina mba ho famantarana ho an’ireo taranaka mpikomy, dia hatsahatrao hiala Amiko ny fimonomononany mba tsy hahafaty azy ireo. DIEM PROTESTANTA Dia hoy indray ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Avereno eo anoloan’ny Vatamasina ny tehin’i Aharôna; hotahirizina eo izany mba hampahatsiaro ny Israelita fa vahoaka mpiodina izy. Izany no hampitsaharanao ny fanakianany Ahy, dia tsy ho faty izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy indray ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Avereno eo anoloan’ny Vatamasina ny tehin’i Aharôna; hotahirizina eo izany mba hampahatsiaro ny Israelita fa vahoaka mpiodina izy. Izany no hampitsaharanao ny fanakianany Ahy, dia tsy ho faty izy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Avereno ny tehin’i Arona ho eo anoloan’ny Vavolombelona, hotehirizina ho famantarana ho an’ny mpiodina, ka dia hatsahatrao hiala amiko ny fimonomononany, mba tsy ho faty izy. La Bible en Malgache Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Avereno ho eo anoloan’ny Vavolombelona ny tehin’i Arona, hotahirizina mba ho famantarana ho an’ireo taranaka mpikomy, dia hatsahatrao hiala Amiko ny fimonomononany mba tsy hahafaty azy ireo. |