Ny amin’ny vahiny, izay tsy isan’i Israely vahoakanao fa avy any an-tany lavitra, noho ny amin’ny Anaranao,
Nomery 15:29 - Baiboly Katolika Amin’ny tompon-tany isan’ny zanak’i Israely sy amin’ny vahiny mitoetra eo aminareo dia lalàna iray ihany no ho anareo, raha misy manota tsy nahy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Lalàna iray ihany no hatao amin’izay manota tsy nahy, na amin’ny tompon-tany eo amin’ny Zanak’Israely izany, na amin’ny mpifindra monina eo aminareo. DIEM PROTESTANTA Mitovy ihany ny lalàna na amin’ny Israelita na amin’ny vahiny izay eo aminy, raha toa ka misy ny manota tsy nahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mitovy ihany ny lalàna na amin’ny Israelita na amin’ny vahiny izay eo aminy, raha toa ka misy ny manota tsy nahy. Baiboly Protestanta Malagasy Lalàna iray ihany no hatao amin’izay manota tsy nahy, na amin’ny Zanak’Isiraely rehetra, na amin’ny vahiny eo aminareo. Malagasy Bible Lalàna iray ihany no hatao amin'izay manota tsy nahy, na amin'ny Zanak'Isiraely rehetra, na amin'ny vahiny eo aminareo. La Bible en Malgache Lalàna iray ihany no hatao amin’izay manota tsy nahy, na amin’ny tompon-tany eo amin’ny Zanak’Israely izany, na amin’ny mpifindra monina eo aminareo. |
Ny amin’ny vahiny, izay tsy isan’i Israely vahoakanao fa avy any an-tany lavitra, noho ny amin’ny Anaranao,
«Izao no lalàna tsy tapaka ho anareo: amin’ny volana fahafito, andro fahavalon’ny volana, hampijaly tena ianareo, sady tsy hanao taozavatra akory, na ny tompon-tany na ny vahiny mitoetra eo aminareo.
Ny olona rehetra na tompon-tany na vahiny, mihinana biby maty ho azy na voaviravira, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano, ary haloto mandra-paharivan’ny andro, vao hadio.
Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy olona manota tsy nahy, mandika ny iray amin’ny didin’i Iaveh momba ny zavatra tsy tokony hatao, ka nanatanteraka zavatra anankiray amin’ireny izy,
Lalàna iray ihany no ho an’ny fiangonana, na ho anareo na ho an’ny vahiny monina eo aminareo; lalàna mandrakizay ho an’ny taranakareo izany: tsy hisy hafa na ny aminareo na ny amin’ny vahiny, eo anatrehan’i Iaveh.
Ny mpisorona hanao ny fanonerana, eo anatrehan’i Iaveh, ho an’ilay olona izay diso fa nanota tsy nahy, ka rehefa vita ny fanonerana natao ho azy, dia havela ny helony.
Fa na tompon-tany na vahiny, ka sahy manao fanahy iniana kosa, dia olona maniratsira an’i Iaveh izany, ka hoesorina eo amin’ny fireneny.
Raha vahiny mitoetra eo aminareo no manao ny Pakan’i Iaveh dia hotandremany ny lalàna amam-pitsipika momba ny Paka. Lalàna iray ihany no ho anareo, na ho an’ny vahiny na ho an’ny tompon-tany.»
fa izay tsy nahalala kosa, na nanao zavatra mendri-pamaizana aza, dia hokapohina kelikely ihany. Izay nomena be no hitakiana be, ary izay nanankinana be no hadinina be koa.»
Nitsangana teo an-daniny roa amin’ny fiaran’ny faneken’i Iaveh, i Israely rehetra, ny loholony, ny manamboninahiny, ny mpitsarany, na ny vahiny na ny zanak’i Israely, ny antsasany teo anilan’ny tendrombohitra Garizima, ny antsasany teo anilan’ny tendrombohitra Hebaka, araka ny didy nomen’i Môizy mpanompon’i Iaveh fahiny, mba hitso-drano ny vahoakan’i Israely.