Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy olona manota tsy nahy, mandika ny iray amin’ny didin’i Iaveh momba ny zavatra tsy tokony hatao, ka nanatanteraka zavatra anankiray amin’ireny izy,
Nomery 15:27 - Baiboly Katolika Raha olona iray kosa no nanota tsy nahy, dia osy vavy iray, efa iray taona, no hateriny ho sorona noho ny ota. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary raha olona iray kosa no manota tsy nahy dia hanatitra osivavy iray izay iray taona izy ho fanatitra noho ny ota. DIEM PROTESTANTA «Raha olona tokana kosa no nanota tsy nahy, dia osivavy anankiray vao iray taona no hatolony ho sorona fanalana ny ota. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Raha olona tokana kosa no nanota tsy nahy, dia osivavy anankiray vao iray taona no hatolony ho sorona fanalana ny ota. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha olona iray kosa no manota tsy nahy, dia hanatitra osivavy iray izay iray taona izy ho fanatitra noho ny ota. Malagasy Bible Ary raha olona iray kosa no manota tsy nahy, dia hanatitra osivavy iray izay iray taona izy ho fanatitra noho ny ota. La Bible en Malgache Ary raha olona iray kosa no manota tsy nahy dia hanatitra osivavy iray izay iray taona izy ho fanatitra noho ny ota. |
Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy olona manota tsy nahy, mandika ny iray amin’ny didin’i Iaveh momba ny zavatra tsy tokony hatao, ka nanatanteraka zavatra anankiray amin’ireny izy,
ka hanatitra ny fanatiny ho an’i Iaveh, zanak’ondry efa iray taona, tsy misy kilema, iray hatao sorona dorana; ondry vavy iray tsy misy kilema, efa iray taona, hatao sorona noho ny ota; ondry lahy iray tsy misy kilema hatao fanati-pihavanana;
fa izay tsy nahalala kosa, na nanao zavatra mendri-pamaizana aza, dia hokapohina kelikely ihany. Izay nomena be no hitakiana be, ary izay nanankinana be no hadinina be koa.»
Tsy nahoan’Andriamanitra ny andron’ny tsy fahalalana fahizany; fa asainy mibebaka daholo kosa ankehitriny ny olona rehetra amin’izao tontolo izao.
Ary ankehitriny, ry hava-malala, fantatro tsara fa ny tsy fahalalana no nanaovanareo izany, toy izany koa ireo mpifehy anareo;
dia izaho izay mpiteny ratsy fahiny, sady mpanenjika sy mpanao an-keriny; kanefa nahazo famindram-po aho, satria tsy fahalalana no nanaovako izany, noho izaho tsy mbola nanam-pinoana;