Hankalazaina anie i Iaveh, izay nanome fitsaharana an’i Israely vahoakany araka izay rehetra voalazany. Fa amin’ny teny soa rehetra nampandrenesiny tamin’ny alalan’i Môizy mpanompony dia tsy misy teny tsy tanteraka na iray aza.
Nomery 14:34 - Baiboly Katolika Araka ny efapolo andro nisafoanareo ny tany - fa soloana taona iray ny andro iray, no hivesaranareo efapolo taona ny hadisoanareo, ka dia ho hitanareo izany hoe fihatahako aminareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Araka ny isan’ny andro efapolo izay nisafoanareo ny tany, nefa ny andro iray hosoloana taona iray, dia araka izany no hitondranareo ny helokareo efapolo taona ka ho fantatrareo ny fandavako anareo. DIEM PROTESTANTA Efapolo andro no nisafoanareo ny tany; koa dia mandritra ny efapolo taona kosa no hitondranareo ny vokatry ny fahotanareo, izany hoe taona iray isaky ny andro iray. Ka dia ho fantatrareo tsara ny dikan’ny faniniako anareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Efapolo andro no nisafoanareo ny tany; koa dia mandritra ny efapolo taona kosa no hitondranareo ny vokatry ny fahotanareo, izany hoe taona iray isaky ny andro iray. Ka dia ho fantatrareo tsara ny dikan’ny faniniako anareo. Baiboly Protestanta Malagasy Araka ny isan’ny andro efa-polo izay nisafoanareo ny tany,–ka ny andro iray hosoloana taona iray–no hitondranareo ny helokareo efa-polo taona; ka dia ho fantatrareo ny fahafoizako anareo. Malagasy Bible Araka ny isan'ny andro efa-polo izay nisafoanareo ny tany, ka ny andro iray hosoloana taona iray no hitondranareo ny helokareo efa-polo taona; ka dia ho fantatrareo ny fahafoizako anareo. La Bible en Malgache Araka ny isan’ny andro efapolo izay nisafoanareo ny tany, nefa ny andro iray hosoloana taona iray, dia araka izany no hitondranareo ny helokareo efapolo taona ka ho fantatrareo ny fandavako anareo. |
Hankalazaina anie i Iaveh, izay nanome fitsaharana an’i Israely vahoakany araka izay rehetra voalazany. Fa amin’ny teny soa rehetra nampandrenesiny tamin’ny alalan’i Môizy mpanompony dia tsy misy teny tsy tanteraka na iray aza.
Izany no nahatanterahan’ny tenin’i Iaveh, tamin’ny vavan’i Jeremia: «Mandra-pahazon’ny tany ny onitry ny sabany, fa nitsahatra izy mandritra ny fotoana nahafoana azy, dia mandra-pahafenon’ny fitopolo taona.»
Tsy misy salama ny nofoko noho ny hatezeranao; ary tsy misy tsy marofy ny taolako noho ny fahotako.
Nandritra ny efapolo taona aho monain’izany taranaka izany, ka nanao hoe: «Vahoaka manana izay fo mania izy, ary tsy nahalala ny lalako.»
Dia hitondra ny valin’ny haratsiany izy, - arakaraka ny haratsian’izay manontany ny haratsian’ny mpaminany koa,
Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ianao nanadino Ahy, sy nanifika Ahy ho any ivohonao: dia aoka ianao koa mba hizaka ny sazin’ny fahalotoanao, amam-pijangajanganao!
Ary araka ny isan’ny andro no nanisako ny taonan’ny helok’izy ireo ho anao; ka dia 390 andro no hitondranao ny heloky ny taranak’i Israely.
Rehefa tapitra ireo andro ireo, dia ny ilanao havanana indray no hataonao ambany mandry, ka hitondra ny heloky ny taranak’i Jodà kosa ianao, 40 andro; fa nisaiko ho taona iray ny andro iray ho anao.
Na hitaiza ny zanany aza izy, hoesoriko aminy alohan’ny hahatongavany ho lehilahy ireny; satria loza ho azy ireo, raha ihatahako izy!
Aza manokatra ny fitanjahan’ny rahavavin-dreninao, na ny anabavin-drainao, fa manokatra ny fitanjahan’ny tenany izay manao izany, ka hilonjy ny helony izy ireo.
Nalaiko ilay tehiko Fahasoavana, dia notapahiko, mba hanafoanako ny fanekena nataoko tamin’ny firenena rehetra.
Ny Levita ihany no hanao ny raharahan’ny trano lay fihaonana, dia izy no hitondra ny helony. Ho lalàna mandrakizay amin’ny taranakareo, no tsy hananany lova eo afovoan’ny zanak’i Israely.
Nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh ka nataony nirenireny tany an’efitra izy ireo nandritra ny efapolo taona mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imason’i Iaveh.
Fa efa nambinin’i Iaveh Andriamanitrao ianao, tamin’ny asan’ny tananao rehetra; fantany ny nandehananao namaky ity efitra lehibe ity, fa efapolo taona izao no eo aminao i Iaveh Andriamanitrao, tsy nanan-java-mahory ianao na inona na inona.
Koa aoka hatahotra isika, dieny mbola manana ny teny fampanantenana, fa hiditra amin’ny fialàny sasatra, mba tsy hisy tsy hahatratra izany aminareo na dia iray aza.
Koa ankehitriny, efa nitahiry ny aiko araka ny voalazany i Iaveh hatramin’ny 45 taona nilazany izany teny izany tamin’i Môizy, fony i Israely nandeha tany an’efitra, ary 85 taona aho izao.
Ary ny Vavolombeloko roa, dia homeko hery haminany enimpolo amby roan-jato sy arivo andro; akanjo malailay no hiakanjoany.
Noho izany, izao no tenin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Fa efa voalazako fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; nefa ankehitriny, aza ho toy izany intsony, hoy i Iaveh. Fa izay manaja Ahy no hohajaiko, ary izay maniratsira Ahy no hotsiratsiraiko koa.