Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 14:31 - Baiboly Katolika

Fa ny zanakareo, izay nolazainareo hoe ho lasan-ko babo, no hampidiriko any; dia izy ireo no hahalala ny tany izay nataonareo tsinontsinona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa ny zanakareo madinika kosa, izay nolazainareo fa ho babo, dia izy ireo no hoentiko miditra ary izy ireo no hahalala ny tany izay nolavinareo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa ny zanakareo madinika izay voalazanareo fa ho lasan-ko babo kosa dia hoentiko mankany; ireo no hahafantatra ny tany izay tsy noraharahainareo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa ny zanakareo madinika izay voalazanareo fa ho lasan-ko babo kosa dia hoentiko mankany; ireo no hahafantatra ny tany izay tsy noraharahainareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa ny zanakareo madinika kosa, izay nolazainareo fa ho babo, dia izy no ho entiko miditra, ary izy no hahalala ny tany izay nolavinareo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa ny zanakareo madinika kosa, izay nolazainareo fa ho babo, dia izy no ho entiko miditra, ary izy no hahalala ny tany izay nolavinareo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa ny zanakareo madinika kosa, izay nolazainareo fa ho babo, dia izy ireo no hoentiko miditra ary izy ireo no hahalala ny tany izay nolavinareo.

Jereo ny toko



Nomery 14:31
14 Rohy Ifampitohizana  

Izay vao nomen’i Jakôba mofo sy sosoam-boanemba i Esao; ka nony efa nihinana sy nisotro izy, dia nitsangana ka lasa nandeha. Toy izany no nanamavoan’i Esao ny fizokiany.


Dia tonga ny zanany nandray ny tany ho fananany, ary naetrinao teo anoloany ny mponina ao amin’ny tany, dia ny Kananeanina, sy natolotrao ho eo an-tanany mbamin’ny mpanjaka sy ny vahoakan’ny tany, hataony amin’izay itiavany azy.


Izy ireo nanamavo ny tanim-pahafinaretana tsy nino ny tenin’i Iaveh.


noho ianareo tsy manahy ny saina atolotro rehetra, ary tsy tianareo akory ny fananarako:


satria tsy nandray ny saina natolotro, ary tsy nanao ho zavatra ny fananarako rehetra,


Hoy Aho tamin’ny zanak’izy ireo tany an’efitra: Aoka ianareo tsy hanaraka ny fomban-drazanareo, na hitandrina ny fanaony, na handoto tena amin’ny sampin-dozany.


Nahoana no dia nentin’i Iaveh amin’ity tany ity isika, ka ho lavon-tsabatra? Ary ny vady aman-janatsika ho lasan-ko babo. Tsy aleontsika va miverina ho any Ejipta?»


ny fokon’ny Hesrônita avy tamin’i Hesrôna, ny fokon’ny Karmita avy tamin’i Karmì.


Tamin’izy ireo, dia tsy nisy na dia iray aza anisan’ny zanak’i Israely, izay efa nisain’i Môizy sy i Aarôna mpisorona tany an’efitra Sinaia.


Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny iray nankany amin’ny sahany, ny iray nankany amin’ny varony;


Mihevera, ry mpamotsifotsy, ka migagà sy levòna ianareo; fa Izaho hanao zavatra anankiray amin’ny andronareo, dia zavatra tsy hinoanareo na dia holazaina aminareo aza.


ary ny zanakareo madinika izay nolazainareo hoe lasan-ko babo, ny zanakareo mbola tsy mahalala izay tsara sy ratsy ankehitriny, dia ireo no hiditra any, ireo no homeko azy, ary ireo no hanana azy.


Ary ny zanany no natsangany handimby azy, ka ireo no noforàn’i Jôsoe, satria mbola tsy voafora avokoa, noho izy tsy noforàna teny an-dalana.