Fa i Kaleba nampangina ny vahoaka ny amin’i Môizy: «Andeha isika, hoy izy, hiakatra haka ny tany fa mety ho lasantsika tokoa izy.»
Nomery 13:31 - Baiboly Katolika Nefa hoy kosa ireto olona niara-niakatra taminy: «Tsy manan-kery isika hananika izany vahoaka izany, fa mahery noho isika izy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy kosa ireo lehilahy izay niara-niakatra taminy: Tsy afa-miakatra handresy ireo olona ireo isika satria mahery noho isika izy. DIEM PROTESTANTA Ireo olona niara-niakatra tamin’i Kaleba kosa nanao hoe: –Tsy afaka manafika ireo olona ireo isika fa mahery lavitra noho isika izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireo olona niara-niakatra tamin’i Kaleba kosa nanao hoe: –Tsy afaka manafika ireo olona ireo isika fa mahery lavitra noho isika izy. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy kosa ny lehilahy izay niara-niakatra taminy: Tsy mahazo miakatra handresy ny olona isika; fa mahery noho isika izy. Malagasy Bible Fa hoy kosa ny lehilahy izay niara-niakatra taminy: Tsy mahazo miakatra handresy ny olona isika; fa mahery noho isika izy. La Bible en Malgache Fa hoy kosa ireo lehilahy izay niara-niakatra taminy: Tsy afa-miakatra handresy ireo olona ireo isika satria mahery noho isika izy. |
Fa i Kaleba nampangina ny vahoaka ny amin’i Môizy: «Andeha isika, hoy izy, hiakatra haka ny tany fa mety ho lasantsika tokoa izy.»
Nahoana ianareo no mampipetraka ny zanak’i Israely tsy hankany amin’ny tany omen’i Iaveh azy?
Niakatra hatrany an-dohasahan’i Eskôla izy ary nahita ny tany, dia nampiketraka ny zanak’i Israely tsy hiditra any amin’ny tany omen’i Iaveh azy.
Aiza no hiakarantsika? Fa efa nahaosa ny fontsika loatra ny nilazan’ny rahalahintsika hoe: Ny firenena ao, dia sady vaventy no lava noho isika, ny tanàna lehibe, ary avo manakatra ny lanitra ny mandany; ary ny taranaky ny Enakima aza efa hitanay tany.
Mihainoa, ry Israely. Ndeha hita an’i Jordany ianao izao, ary handroso haka firenena lehibe sy mahery noho ianao, tanàna lehibe misy manda manakatra ny lanitra.
Ireo rahalahiko niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon’ny olona; fa izaho kosa nanaraka an-tsakany sy an-davany an’i Iaveh Andriamanitro;
Fa hoy i Saola tamin’i Davida: «Tsy azonao atao ny mandroso hihaona amin’io Filistinina io mba hiady aminy, fa ianao mbola zaza, izy efa lehilahy mpiady hatramin’ny fahatanorany».