Nomery 11:28 - Baiboly Katolika Niteny niaraka tamin’izay i Jôsoe, zanak’i Nona, mpanompon’i Môizy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: «Ry Môizy tompoko ô, rarao izy roa lahy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Josoa, zanak’i Nona, izay nanompo an’i Mosesy hatramin’ny fahatanorany: Ry Mosesy, tompoko, rarao izy roa lahy. DIEM PROTESTANTA Dia loa-bolana i Josoa, zanakalahin’i Nona sady mpanompon’i Mosesy hatramin’ny fahatanorany, ka nanao hoe: –Ry Mosesy tompoko, mba rarao re izy roa lahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia loa-bolana i Josoa, zanakalahin’i Nona sady mpanompon’i Mosesy hatramin’ny fahatanorany, ka nanao hoe: –Ry Mosesy tompoko, mba rarao re izy roa lahy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia namaly Josoa, zanak’i Nona, izay nanompo an’i Mosesy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: Ry Mosesy, tompoko, rarao izy roa lahy. Malagasy Bible Dia namaly Josoa, zanak'i Nona, izay nanompo an'i Mosesy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: Ry Mosesy, tompoko, rarao izy roa lahy. La Bible en Malgache Dia hoy i Josoa, zanak’i Nona, izay nanompo an’i Mosesy hatramin’ny fahatanorany: Ry Mosesy, tompoko, rarao izy roa lahy. |
«Mifantena lehilahy ianao dia handeha hiady amin’i Amaleka; izaho kosa rahampitso hijoro eo an-tampon’ny havoana, mitana ny tehin’Andriamanitra ao an-tanako.»
Dia niainga i Môizy nomban’i Jôsoe mpanompony, nandroso nankeo an-tendrombohitr’Andriamanitra.
Ary i Iaveh miresaka mifanatrika amin’i Môizy, mova tsy ny olona miresaka amin’ny sakaizany. Raha efa izany dia miverina mankany an-toby i Môizy fa i Jôsoe zanak’i Nona, ilay tovolahy mpanompony, tsy niala tao afovoan’ny trano lay.
Dia nihazakazaka nilaza izany tamin’i Môizy ny zazalahy anankiray, nanao hoe: «Maminany atsy an-toby i Eldada sy i Medada.»
ka nankany amin’i Joany ny mpianany nanao taminy hoe: «Raby, Ilay teny aminao, teny an-dafin’i Jordany, izay nambaranao manko, ka indro manao batemy koa ary mankany aminy ny olona rehetra.»
Rehefa maty i Môizy, mpanompon’i Iaveh, dia niteny tamin’i Jôsoe zanak’i Nona, mpanompon’i Môizy, i Iaveh nanao hoe: