Niray hevitra ny fiangonana rehetra, fa hankalaza hafitoana indray, ka nankalazainy an-kafaliana ny hafitoana;
Nehemia 8:13 - Baiboly Katolika Ny andro faharoa dia nivory teo amin’i Esdrasa mpanora-dalàna, ny loham-pianakavian’ny vahoaka rehetra, mbamin’ny mpisorona sy ny Levita, mba handavorary kokoa ny fianarany ny tenin’ny lalàna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nony ampitson’iny dia vory teo amin’i Ezra mpanoradalàna ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny olona rehetra sy ny mpisorona ary ny levita mba handinika ny tenin’ny lalàna. DIEM PROTESTANTA Ny andro manaraka, dia nivory teo amin’i Hezrà mpahay lalàna ny loham-pianakaviana israelita rehetra sy ny mpisorona ary ny levita mba handinika bebe kokoa ny tenin’ny lalàna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny andro manaraka, dia nivory teo amin’i Hezrà mpahay lalàna ny loham-pianakaviana israelita rehetra sy ny mpisorona ary ny levita mba handinika bebe kokoa ny tenin’ny lalàna. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nony ampitson’iny dia vory teo amin’i Ezra mpanora-dalàna ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny olona rehetra sy ny mpisorona ary ny Levita mba handinika ny tenin’ny lalàna. Malagasy Bible Ary nony ampitson'iny dia vory teo amin'i Ezra mpanora-dalàna ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny olona rehetra sy ny mpisorona ary ny Levita mba handinika ny tenin'ny lalàna. La Bible en Malgache Nony ampitson’iny dia vory teo amin’i Ezra mpanoradalàna ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny olona rehetra sy ny mpisorona ary ny levita* mba handinika ny tenin’ny lalàna. |
Niray hevitra ny fiangonana rehetra, fa hankalaza hafitoana indray, ka nankalazainy an-kafaliana ny hafitoana;
Dia samy nandeha hihinana sy hisotro ary hampitondra anjara ho an’ny sasany ny vahoaka rehetra, ka nanao fifaliana lehibe. Fa azony tsara ny teny nampahafantarina azy ireo.
Ka hitan’izy ireo voasoratra ao amin’ny lalàna izay nandidian’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy, fa tsy maintsy mitoetra an-tranolay ny zanak’i Israely, mandritra ny fety amin’ny volana fahafito,
Dia nifampilaza izy hoe: «Akory izany firehidrehitry ny fontsika tao anatintsika fony Izy niresaka tamintsika teny an-dalana, sy nivaofy ny Soratra Masina tamintsika!»
Nony nivoaka izy ireo, dia nangatahiny mba hilaza izany teny izany indray amin’ny sabata manaraka.
Raha mbola niteny tamin’ny vahoaka i Piera sy i Joany, dia indreo tonga ny mpisorona maro, sy ny lehiben’ny mpiambina ny Tempoly, ary ny Sadoseanina,