Na zovy na zovy tsy mitandrina ny lalàn’ny Andriamanitrao, sy ny lalàn’ny mpanjaka, dia aoka izy hovaliana araka ny rariny, na hovonoina, na hasesitany, na hosazina vola, na hatao an-tranomaizina.
Nehemia 13:21 - Baiboly Katolika ka noteneniko izy ireo nataoko hoe: «Ahoana no andrianareo eto anoloan’ny manda? Raha mbola manao izany ianareo, dia hosamboriko.» Hatramin’izay andro izay, dia tsy tonga tamin’ny sabata intsony izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 nananatra azy ireo mafy aho ka niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mandry eto anilan’ny manda? Raha mbola manao izany indray ianareo dia hosamboriko. Koa hatramin’izany andro izany dia tsy tonga tamin’ny Sabata intsony izy ireo. DIEM PROTESTANTA dia nananatra azy mafy aho ka nanao taminy hoe: –Nahoana ianareo no mandry eto anoloan’ny manda? Raha mbola manao izany ianareo, dia asaiko samborina. Koa nanomboka tamin’io andro io, dia tsy tonga tamin’ny sabata intsony ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia nananatra azy mafy aho ka nanao taminy hoe: –Nahoana ianareo no mandry eto anoloan’ny manda? Raha mbola manao izany ianareo, dia asaiko samborina. Koa nanomboka tamin’io andro io, dia tsy tonga tamin’ny sabata intsony ireo. Baiboly Protestanta Malagasy dia nananatra azy mafy aho ka nanao taminy hoe: Nahoana hianareo no mandry eto anilan’ny mànda? Raha mbola manao izany indray hianareo, dia hosamboriko. Koa hatramin’izany andro izany dia tsy tonga tamin’ny Sabata intsony izy. Malagasy Bible dia nananatra azy mafy aho ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mandry eto anilan'ny manda Raha mbola manao izany indray ianareo, dia hosamboriko. Koa hatramin'izany andro izany dia tsy tonga tamin'ny Sabata intsony izy. La Bible en Malgache nananatra azy ireo mafy aho ka niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mandry eto anilan’ny manda? Raha mbola manao izany indray ianareo dia hosamboriko. Koa hatramin’izany andro izany dia tsy tonga tamin’ny Sabata intsony izy ireo. |
Na zovy na zovy tsy mitandrina ny lalàn’ny Andriamanitrao, sy ny lalàn’ny mpanjaka, dia aoka izy hovaliana araka ny rariny, na hovonoina, na hasesitany, na hosazina vola, na hatao an-tranomaizina.
tsy hividy na inona na inona amin’ny andro sabata sy ny andro fety amin’ny entam-barotra na zava-pihinana, na inona na inona, raha sendra misy entin’ny vahoakan’ny tany hamidy amin’ny andro sabata; hamela ny tany hijanona tsy ambolena amin’ny taona fahafito, sady hamoy ny trosa rehetra.
Tamin’izany andro izany aho nahita olona sasany, tany Jodà, nanosihosy teo amin’ny famiazam-boaloboka, tamin’ny andro sabata, nitaona amboaram-bary, nampitondra entana ny ampondrany aza, dia divay, voaloboka, aviavy, mbamin’ny entana isan-karazany, ka nentina ho any Jerosalema tamin’ny andro sabata; noteneniko izy ireo nony nivarotra ny entam-barony.
Tamin’izay, tafandry tany ivelan’i Jerosalema, indray mandeha na indroa, ny mpandranto ama-mpivarotra,