Ry Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao, na amin’ny lanitra ambony na amin’ny tany ambany, fa Ianao mitandrina ny fanekenao amam-pamindram-ponao, amin’ny mpanomponao, izay mandeha eo anatrehanao amin’ny fony tokoa,
Nehemia 1:5 - Baiboly Katolika nanao hoe: «Ry Iaveh Andriamanitry ny lanitra ô, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra ô, Ianao izay mitana ny fanekena sy ny famindram-po amin’izay tia Anao sy mitandrina ny didinao anie, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ka hoy aho hoe: Indrisy! RY TOMPO, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, izay mitandrina ny fanekena sy famindrampo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, DIEM PROTESTANTA ka nanao hoe: –Indrisy, ry TOMPO Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra! Mitandro ny fanekempihavanana sy famindrampo Ianao amin’izay mitia Anao sy mitandrina ny didinao; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka nanao hoe: –Indrisy, ry TOMPO Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra! Mitandro ny fanekempihavanana sy famindrampo Ianao amin’izay mitia Anao sy mitandrina ny didinao; Baiboly Protestanta Malagasy ka nanao hoe: Indrisy! ry Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, Izay mitandrina fanekena sy famindrampo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, Malagasy Bible ka nanao hoe: Indrisy! ry Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, La Bible en Malgache ka hoy aho hoe: Indrisy! RY TOMPO, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, izay mitandrina ny fanekena sy famindrampo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, |
Ry Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao, na amin’ny lanitra ambony na amin’ny tany ambany, fa Ianao mitandrina ny fanekenao amam-pamindram-ponao, amin’ny mpanomponao, izay mandeha eo anatrehanao amin’ny fony tokoa,
Aiza eto ambonin’ny tany izay firenena hafa, manahaka an’i Israely vahoakanao, izay nahatongavan’Andriamanitra hanavotany azy, mba ho vahoakany, hahazoanao Anarana amin’ny fahagagana aman’asa lehibe, dia ny nandroahanao firenena teo anoloan’ny vahoakanao, izay navotanao tamin’i Ejipta.
«Izao no lazain’i Sirosa mpanjakan’i Persa: Efa nomen’i Iaveh Andriamanitry ny lanitra ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany, ary efa nandidy ahy Izy, hanao trano ho Azy, any Jerosalema any Jodà.
Koa na aiza na aiza no andrenesanareo ny feon’ny trômpetra dia mivoria eto aminay ianareo, fa ny Andriamanitsika no hiady ho antsika.»
Nony nijery aho, dia nitsangana nilaza izao tamin’ny lehibe sy ny andriambaventy ary ny vahoaka sisa hoe: «Aza matahotra eo anatrehan’ireny ianareo! Fa ny Tompo lehibe sy mahatahotra no tsarovy; ary miadia hiaro ny rahalahinareo sy ny zanakareo lahy aman-janakareo vavy ary ny vadinareo sy ny ankohonanareo.»
«Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Andriamanitra lehibe sy mahery sady mahatahotra, Ianao izay mitana ny fanekena sy ny famindram-po, dia aoka tsy ho zavatra kely eo imasonao ny fahoriana rehetra efa nanjò anay dia ny tenanay, ny mpanjakanay, ny lehibenay, ny mpisoronay, ny mpaminaninay, ny razanay, ary ny vahoakanao rehetra, hatramin’ny andron’ireo mpanjakan’i Asiria, ka mandrak’izao anio izao.
Mitehafa tanana ianareo rehetra, ry vahoaka isany, miderà an’Andriamanitra amin’ny hobim-pifaliana!
Eny, mahatahotra Ianao! Iza no mahajanona eo anatrehanao, raha mipoaka ny hatezeranao!
Te hihira mandrakizay ny hatsaram-pon’i Iaveh aho: hanambara ny fahamarinanao amin’ny taranaka rehetra, ny vavako.
Fa hoy aho: «Ny hatsaram-po no tranobe soa mandrakizay; naorinao any an-danitra ny fahamarinanao.
Mahatahotra Andriamanitra eo amin’ny fiangonam-ben’ny olo-masina, mahatahotra ho an’ireo rehetra manotrona Azy Izy.
ary amin’izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko kosa, mamindra fo hatramin’ny taranaka faharivo.»
«Raha mihaino ireo fitsipika ireo ianareo ka mitandrina sy manaraka izany, dia hotanterahin’i Iaveh Andriamanitrao aminao kosa, ny fanekena amam-pamindram-po efa nianianany tamin’ny razanao.
Aza mivadi-po amin’izy ireo, fa eo afovoanao i Iaveh Andriamanitrao, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra.
«Koa aoka ho fantatrao àry fa i Iaveh Andriamanitrao no Andriamanitra, dia Andriamanitra tsy mivadika, fa maharitra amin’ny fanekena amam-pamindram-po, hatramin’ny taranaka faharivo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny.