Dia hoy i Abrama tamin’i Lôta: «Aoka re tsy hifanditra izaho sy ianao, na ny mpiandry ondriko sy ny mpiandry ondrinao, fa mpirahalahy isika.
Mpitsara 9:26 - Baiboly Katolika Ary tonga niaraka tamin’ny rahalahiny i Gaala, zanak’i Obeda, ka nankany Sikema izy. Natoky azy ny mponina tao Sikema, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia tonga tao i Gala, zanak’i Ebeda, sy ny rahalahiny, ka nankany Sekema, ary natoky azy ny mponina tao Sekema. DIEM PROTESTANTA Indray andro dia tonga tao Sekema i Gahala zanakalahin’i Hebeda, sy ireo rahalahiny; ary nametraka fitokiana taminy ny mponin’i Sekema. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Indray andro dia tonga tao Sekema i Gahala zanakalahin’i Hebeda, sy ireo rahalahiny; ary nametraka fitokiana taminy ny mponin’i Sekema. Baiboly Protestanta Malagasy Dia tonga tao Gala, zanak’i Ebeda, sy ny rahalahiny ka nankany Sekema, ary ny mponina tao Sekema natoky azy. Malagasy Bible Dia tonga tao Gala, zanak'i Ebeda, sy ny rahalahiny ka nankany Sekema, ary ny mponina tao Sekema natoky azy. La Bible en Malgache Dia tonga tao i Gala, zanak’i Ebeda, sy ny rahalahiny, ka nankany Sekema, ary natoky azy ny mponina tao Sekema. |
Dia hoy i Abrama tamin’i Lôta: «Aoka re tsy hifanditra izaho sy ianao, na ny mpiandry ondriko sy ny mpiandry ondrinao, fa mpirahalahy isika.
Nisy olona napetraky ny mponina tao Sikema, tany antampony tendrombohitra, nataony otrika hamely azy, ka izay rehetra nandalo azy ireo, tamin’ny lalana, nobaboiny avokoa, ary nolazaina tamin’i Abimeleka izany.
ka nivoaka nankany an-tsaha izy ireo: nioty ny voalobony, namoritra azy, nanao fety, ary niditra tany an-tranon’ny andriamaniny, nihinana sy nisotro, ary nanozona an’i Abimeleka.
Dia hoy i Gaala zanak’i Obeda hoe: «Iza moa i Abimeleka, ary zovy moa i Sikema, no hotompointsika? Tsy zanak’i Jerobaala va izy, ary tsy i Zebola va no lefiny? Ianareo no manompoa ny taranak’i Emôra, rain’i Sikema. Fa raha izahay, ahoana ange no hanompoanay an’i Abimeleka?
Nandre ny vavan’i Gaala, zanak’i Obeda, i Zebola, governoran’ny tanàna ka nirehitra ny fahatezerany.