Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 9:19 - Baiboly Katolika

Koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo androany tamin’i Jerobaala sy ny ankohonany, dia aoka i Abimeleka hampifaly anareo, ary ianareo kosa hampifaly azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo androany tamin’i Jerobaala sy ny zanany, dia mifalia amin’i Abimeleka ianareo, ary aoka hifaly aminareo kosa izy!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa raha tàhiny rariny sy hitsiny ny nataonareo tamin’i Jerobahala sy ny ankohonany androany, dia hifalianareo anie i Abimelèka ary hifaliany anie ianareo!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa raha tàhiny rariny sy hitsiny ny nataonareo tamin’i Jerobahala sy ny ankohonany androany, dia hifalianareo anie i Abimelèka ary hifaliany anie ianareo!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo andro-any tamin’i Jerobala sy ny zanany, dia mifalia amin’i Abimeleka hianareo, ary aoka izy kosa hifaly aminareo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo androany tamin'i Jerobala sy ny zanany, dia mifalia amin'i Abimeleka ianareo, ary aoka izy kosa hifaly aminareo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo androany tamin’i Jerobaala sy ny zanany, dia mifalia amin’i Abimeleka ianareo, ary aoka hifaly aminareo kosa izy!

Jereo ny toko



Mpitsara 9:19
6 Rohy Ifampitohizana  

«Satria ity firenena ity nanazimba ny ranon’i Siloe misononoka fandeha, sy mifaly noho ny amin-dRasìna sy ny zana-dRomelia,


Fa isika no tena voafora, dia isika izay manompo an’Andriamanitra amin’ny Fanahy, sy manao an’i Kristy Jesoa ho reharehantsika, ary tsy mitoky amin’ny nofo.


Fa izao dia mirehareha amin’ny fahasahianareo ianareo; ka ratsy ny fireharehana rehetra toy izany.


Tamin’izany andro izany no nanomezan’ny olona anarana an’i Jedeôna hoe Jerobaala, fa nataony hoe: «Aoka i Baala hiaro tena aminy, satria noravany ny ôteliny.»


kanjo nitsangan-kamely ny ankohonan’i dada kosa ianareo androany; ny zanany fitopolo lahy novonoinareo teo ambony vato iray ihany, ary i Abimeleka zanak’andevovaviny no natsanganareo ho mpanjakan’ny mponina ao Sikema, satria rahalahinareo io.


Fa raha tsy izany, dia aoka i Abimeleka hivoaka afo ka handevona ny mponina ao Sikema mbamin’ny ankohonan’i Melao ary ny mponina ao Sikema mbamin’ny ankohonan’i Melao koa hivoaka afo ka handevona an’i Abimeleka.