Dia hoy ny mpisorona ama-mpaminany tamin’ireo loholona sy ny vahoaka rehetra: «Mendrika hovonoina ity lehilahy ity, fa naminany loza hanjò ity tanàna ity, araka ny efa ren’ny sofinareo.»
Mpitsara 6:30 - Baiboly Katolika Tamin’izay ny olona tao an-tanàna nilaza tamin’i Jôasy hoe: «Avoahy ny zanakao ka aoka hovonoina izy fa nandrava ny ôtelin’i Baala, ary nikapa ny Aserah teo anilany.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy ireo lehilahy tao an-tanàna tamin’i Joasy: Avoahy ny zanakao mba hovonoina satria nandrava ny alitaran’ny Baala izy sady nikapa ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha teo anilany! DIEM PROTESTANTA Ary hoy ny olona tao an-tanàna tamin’i Jôasy hoe: –Avoahy atỳ ny zanakao lahy hovonoina ho faty, satria nandrava ny alitaran’i Bahala izy sady nikapa ny tsatokazon-tsampy teo anilany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy ny olona tao an-tanàna tamin’i Jôasy hoe: –Avoahy atỳ ny zanakao lahy hovonoina ho faty, satria nandrava ny alitaran’i Bahala izy sady nikapa ny tsatokazon-tsampy teo anilany. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin’i Joasy: Avoahy ny zanakao mba hovonoina, satria efa nandrava ny alitaran’i Bala izy sady efa nikapa ny Aseraha teo anilany. Malagasy Bible Dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin'i Joasy: Avoahy ny zanakao mba hovonoina, satria efa nandrava ny alitaran'i Bala izy sady efa nikapa ny Aseraha teo anilany. La Bible en Malgache Dia hoy ireo lehilahy tao an-tanàna tamin’i Joasy: Avoahy ny zanakao mba hovonoina satria nandrava ny alitaran’ny Baala izy sady nikapa ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha teo anilany! |
Dia hoy ny mpisorona ama-mpaminany tamin’ireo loholona sy ny vahoaka rehetra: «Mendrika hovonoina ity lehilahy ity, fa naminany loza hanjò ity tanàna ity, araka ny efa ren’ny sofinareo.»
Faharitana anie no ho amin’ny ranony, ka aoka ho tankina! Satria tanin-tsampiny ary eo anatrehan’ireny zava-mampahatahotra ireny, dia mirebireby izy ireo.
Fa horoahiny amin’ny sinagoga ianareo ary ho avy aza ny andro hiheveran’izay rehetra hamono anareo ho manao fanompoana an’Andriamanitra.
Ary na izaho koa aza, dia efa nihevitra fa tsy maintsy manao izay tratry ny aiko aho hanohitra ny Anaran’i Jesoa avy any Nazareta,
mpanenjika ny Eglizy, raha ny amin’ny zotom-po; tsy nanan-tsiny, raha ny amin’ny fahamarinana ny amin’ny Lalàna.
Nifampilaza izy nanao hoe: «Iza no nanao izany?» Nanontany izy sy namototra ary nisy nilaza taminy hoe: «I Jedeôna zanak’i Jôasy no nanao izany.»
Ary hoy i Jôasy tamin’izay rehetra nitsangana teo hamely azy: «Ianareo indray ve no tokony hitsangana hiaro an’i Baala? Ianareo indray ve tokony hamonjy azy? Na zovy na zovy hitsangana hiaro an’i Baala, dia hatao maty alohan’ny ampitso maraina. Raha Andriamanitra i Baala dia aoka izy ihany no hitsangana hiaro ny tenany, fa noravan’olona ny ôteliny.»