Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 20:48 - Baiboly Katolika

Dia niverina tany amin’ny taranak’i Benjamina indray ny lehilahy amin’i Israely, ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra avokoa hatramin’ny tanàna, na olona na biby fiompy, ka hatramin’izay rehetra hitany tany. Ary nodorany tamin’ny afo avokoa ny tanàna rehetra hitany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia niverina indray tany amin’ny taranak’i Benjamina ny lehilahin’ny Israely ka namely azy tamin’ny lelan-tsabatra, hatramin’ny olona tao an-tanàna ka hatramin’ny biby fiompy mbamin’izay rehetra hitany. Ny tanàna rehetra izay hitany dia nodorany tamin’ny afo avokoa.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia niverina namely ireo Benjaminita hafa ny Israelita ka isan-tanàna no nandringanany tamin’ny lelan-tsabatra ny olona mbamin’ny biby fiompiny; ary ny tanàna rehetra, izay hitany tamin’izany faritany izany, dia nodorany avokoa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia niverina namely ireo Benjaminita hafa ny Israelita ka isan-tanàna no nandringanany tamin’ny lelan-tsabatra ny olona mbamin’ny biby fiompiny; ary ny tanàna rehetra, izay hitany tamin’izany faritany izany, dia nodorany avokoa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny lehilahy amin’ny Isiraely niverina indray tany amin’ny taranak’i Benjamina ka namely azy tamin’ny lelan-tsabatra, hatramin’ny olona tao an-tanàna ka hatramin’ny biby fiompy ary izay rehetra hita; ary ny tanàna rehetra izay hitany dia nodorany tamin’ny afo avokoa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely niverina indray tany amin'ny taranak'i Benjamina ka namely azy tamin'ny lelan-tsabatra, hatramin'ny olona tao an-tanàna ka hatramin'ny biby fiompy ary izay hitany dia nodorany tamin'ny afo avokoa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia niverina indray tany amin’ny taranak’i Benjamina ny lehilahin’ny Israely ka namely azy tamin’ny lelan-tsabatra, hatramin’ny olona tao an-tanàna ka hatramin’ny biby fiompy mbamin’izay rehetra hitany. Ny tanàna rehetra izay hitany dia nodorany tamin’ny afo avokoa.

Jereo ny toko



Mpitsara 20:48
7 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay kosa ireo miaramila nalefan’i Amasiasa tsy hiara-manafika aminy, dia niantoraka tamin’ireo tanànan’i Jodà, hatrany Samaria ka hatrany Betôrôna, ka nahafaty olona 3.000 ary namabo zavatra betsaka.


Manoatra ny tanàna mimanda, ny rahalahy miady amin’ny rahalahiny; ary tahaka ny hidin’ny lapa ny fifandiran’izy ireo.


Ny enin-jato lahy niamboho sy nandositra nankany an’efitra, any amin’ny haram-baton’i Remôna dia nitoetra tao amin’ny haram-baton’i Remôna efa-bolana.


Tany Masfà nianiana ny lehilahy amin’i Israely nanao hoe: «Tsy hisy hanome ny zanany vavy ho vadin’ny Benjaminita isika».


Dia nataon’ny taranak’i Benjamina izany, samy naka vady ho azy tamin’ny mpandihy nosamboriny, araka ny isany, izy ireo; ary niainga hody amin’ny lovany, dia nanorina ny tanànany indray sy nonina teo izy.