Fa hoy ny anadahin-dRebekà sy ny reniny: «Aoka re mba hipetrapetraka eto aminay andro vitsivitsy aloha ny zazavavy, hafoloana eo ho eo, vao mandeha.»
Mpitsara 19:4 - Baiboly Katolika Notazonin’ity rafozany rain-drazazavavy izy, ka nitoetra tao aminy hateloana ary nihinana sy nisotro izy ireo, ka nijanonjanona tao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nihazona azy ny rafozany, rain-dRazazavavy, ka nitoetra teo aminy hateloana izy sy ny zatovony, dia nihinana sy nisotro ary nandry tao. DIEM PROTESTANTA Ary notanan-drafozany rain-drazazavavy ity vinantolahiny, ka nijanona tao aminy nandritra ny telo andro; dia nihinana sy nisotro ary natory tao ilay levita sy ny zatovony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary notanan-drafozany rain-drazazavavy ity vinantolahiny, ka nijanona tao aminy nandritra ny telo andro; dia nihinana sy nisotro ary natory tao ilay levita sy ny zatovony. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nihazona azy ny rafozany, rain-drazazavavy, ka nitoetra teo aminy hateloana izy, dia nihinana sy nisotro ary nandry tao izy roa lahy. Malagasy Bible Ary nihazona azy ny rafozany, rain-drazazavavy, ka nitoetra teo aminy hateloana izy, dia nihinana sy nisotro ary nandry tao izy roa lahy. La Bible en Malgache Nihazona azy ny rafozany, rain-dRazazavavy, ka nitoetra teo aminy hateloana izy sy ny zatovony, dia nihinana sy nisotro ary nandry tao. |
Fa hoy ny anadahin-dRebekà sy ny reniny: «Aoka re mba hipetrapetraka eto aminay andro vitsivitsy aloha ny zazavavy, hafoloana eo ho eo, vao mandeha.»
Fa tolotanana no nomeny ny zanaky ny vaditsindranony; sady mbola velona teo izy dia efa nampandehaniny izy ireo hiala teo amin’i Isaaka hiantsinanana any amin’ny tany Atsinanana.
Fa niainga ralehilahy ka nankany aminy, hiteny amin’ny fony sy hampody azy, ary nitondra ny mpanompony sy ampondra roa. Nampiantranoin-dravehivavy ho ao an-tranon-drainy izy, ka nony nahita azy ny rain-drazazavavy, dia nandroso hitsena azy an-kafaliana.
Nony tamin’ny andro fahefatra dia nifoha maraina koa izy ireo, ary efa nivonon-kandeha ity Levita. Nefa hoy ny rain-drazazavavy tamin’ity vinantony: «Hatanjaho ny fonao ka homàna sombi-mofo aloha, vao mandeha ianareo».