Niala teo ambonin’ny tokonam-baravaran’ny trano, ny voninahitr’i Iaveh, dia nijanona teo ambonin’ny Kerobima.
Mpitsara 19:27 - Baiboly Katolika Nony maraina dia nifoha ny lahy, dia namoha ny varavarana ary nivoaka ndeha hanohy ny diany. Ary inty ravehivavy, ny vady tsindranony, nivalandòtra teo am-baravaran’ny trano, ary teo amin’ny tokonana ny tanany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nifoha maraina Ralehilahy ka namoha ny varavaran’ny trano, dia nivoaka handeha tamin’ny lalan-kalehany. Kanjo indro, Ravehivavy vady tsindranony miampatra eo am-baravaran’ny trano ary eo amin’ny tokonana ny tanany. DIEM PROTESTANTA Ary nony maraina, dia nitsangana ny lahy ka namoha ny varavarana ary nivoaka ny trano mba hanohy ny diany; kanjo indro ny vavy efa miampatra eo am-baravarana ary mamikitra eo amin’ny tokonana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nony maraina, dia nitsangana ny lahy ka namoha ny varavarana ary nivoaka ny trano mba hanohy ny diany; kanjo indro ny vavy efa miampatra eo am-baravarana ary mamikitra eo amin’ny tokonana. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nifoha maraina ralehilahy ka namoha ny varavaran’ny trano, dia nivoaka handeha tamin’ny làlan-kalehany; ary, indro, ravehivavy vaditsindranony miampatra eo am-baravaran’ny trano, ary ny tànany eo amin’ny tokonana. Malagasy Bible Dia nifoha maraina ralehilahy ka namoha ny varavaran'ny trano, dia nivoaka handeha tamin'ny lalan-kalehany; ary, indro, ravehivavy vaditsindranony miampatra eo am-baravaran'ny trano, ary ny tanany eo amin'ny tokonana. La Bible en Malgache Dia nifoha maraina Ralehilahy ka namoha ny varavaran’ny trano, dia nivoaka handeha tamin’ny lalan-kalehany. Kanjo indro, Ravehivavy vady tsindranony miampatra eo am-baravaran’ny trano ary eo amin’ny tokonana ny tanany. |
Niala teo ambonin’ny tokonam-baravaran’ny trano, ny voninahitr’i Iaveh, dia nijanona teo ambonin’ny Kerobima.
Ary ny voninahitr’i Iaveh nisondrotra niala teo amin’ny Kerobima nankeo amin’ny tokonam-baravaran-trano; ka feno ilay rahona ny trano; ary feno ny famirapiratan’ny voninahitr’i Iaveh ny kianja.
Nony efa haraina ny andro dia tonga ravehivavy ka lavo teo am-baravaran’ny tranon’ilay lehilahy nisy ny vadiny, ka teo izy mandra-pahazavan’ny andro.
Hoy izy taminy: «Miarena dia ndeha isika handeha». Ary tsy nisy namaly; koa dia nataon’ny lahy teo ambonin’ny ampondrany izy, dia lasa izy nody ho any amin’ny fonenany.