fa aoka hangalana rano kely ianareo, hanasana ny tongotrareo. Mialà sasatra eo am-pototr’ity hazo ity ianareo;
Mpitsara 19:21 - Baiboly Katolika Koa nampidiriny an-trano izy ireo ary nomeny vilona ny ampondra; nanasa tongotra izy ireo dia nihinana sy nisotro. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nampiditra azy tao an-tranony izy ka nampihinana ny boriky; dia nanasa tongotra izy ireo ka nihinana sy nisotro. DIEM PROTESTANTA Dia nampidiriny tao an-tranony izy telo mianaka, ary nomeny vilona ireo borikiny. Dia nisasa tongotra ny vahiny ary nihinana sy nisotro. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nampidiriny tao an-tranony izy telo mianaka, ary nomeny vilona ireo borikiny. Dia nisasa tongotra ny vahiny ary nihinana sy nisotro. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nitondra azy tany an-tranony izy ka nampihinana ny boriky; dia nanasa tongotra izy ireo ka nihinana sy nisotro. Malagasy Bible Dia nitondra azy tany an-tranony izy ka nampihinana ny boriky; dia nanasa tongotra izy ireo ka nihinana sy nisotro. La Bible en Malgache Dia nampiditra azy tao an-tranony izy ka nampihinana ny boriky; dia nanasa tongotra izy ireo ka nihinana sy nisotro. |
fa aoka hangalana rano kely ianareo, hanasana ny tongotrareo. Mialà sasatra eo am-pototr’ity hazo ity ianareo;
Nony avy nampandroso azy ireo tao an-tranon’i Josefa ralehilahy dia nanome rano azy, ka nanasa tongotra izy ireo; ny ampondrany koa nomeny vilona.
Izay i Davida vao nanao tamin’i Oria hoe: «Andeha àry midina any an-tranonao, dia manasa ny tongotrao.» Nivoaka ny tranon’ny mpanjaka i Oria, nampanarahina nahandro fanomezana avy amin’ny mpanjaka;
Dia nitodika an-dravehivavy Izy ka nanao tamin’i Simôna hoe: «Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho, fa ianao tsy nanome rano hanasako tongotra, izy kosa nanondraka ny tongotro tamin’ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ny volon-dohany.
tsara laza amin’ny asa soa: namelon-janaka, nampiantrano vahiny, nanasa tongotry ny olomasina, niantra ny ory, nazoto tamin’ny asa soa rehetra.
Nitsangana ravehivavy, dia niankohoka tamin’ny tany, vao niteny hoe: «Indro fa ny ankizivavinao dia toy ny mpanompo hanasa ny tongotry ny mpanompon’ny tompoko».