nisy olona valopolo lahy tonga avy any Sikema sy Silô ary Samaria, samy voaharatra ny volombavany, voatriatra ny fitafiany, voatetika ny tenany, nitondra fanatitra aman’emboka manitra, haterina ao an-tranon’i Iaveh.
Mpitsara 18:31 - Baiboly Katolika Ilay sary voasikotra nataon’i Mikasy no natsangan’izy ireo ho azy, nandritra ny fotoana rehetra nisian’ny tranon’Andriamanitra tao Silô. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Natsangany ho azy ilay sarin-javatra voasokitra nataon’i Mika. Naharitra nandritra ny andro rehetra niorenan’ny tranon’Andriamanitra tao Silo izany. DIEM PROTESTANTA Nokajin’ireo ilay sampin’i Mikà tamin’ny fotoana rehetra nisian’ny tranon’Andriamanitra tao Silao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nokajin’ireo ilay sampin’i Mikà tamin’ny fotoana rehetra nisian’ny tranon’Andriamanitra tao Silao. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nampitoeriny ho azy ilay sarin-javatra voasokitra nataon’i Mika mandritra ny andro rehetra niorenan’ny tranon’Andriamanitra tao Silo. Malagasy Bible Ary nampitoeriny ho azy ilay sarin-javatra voasokitra nataon'i Mika mandritra ny andro rehetra niorenan'ny tranon'Andriamanitra tao Silo. La Bible en Malgache Natsangany ho azy ilay sarin-javatra voasokitra nataon’i Mika. Naharitra nandritra ny andro rehetra niorenan’ny tranon’Andriamanitra tao Silo izany. |
nisy olona valopolo lahy tonga avy any Sikema sy Silô ary Samaria, samy voaharatra ny volombavany, voatriatra ny fitafiany, voatetika ny tenany, nitondra fanatitra aman’emboka manitra, haterina ao an-tranon’i Iaveh.
Mandehana mankany amin’ilay nitoerako any Silô, izay namponenako ny Anarako fahiny, ka zahao ny nanaovako azy, noho ny haratsian’i Israely vahoakako.
Nivory ny fiangonan’i zanak’i Israely rehetra tao Silô, ka nanangana ny trano lay fihaonana. Efa resy teo anoloany ny tany.
Ary hoy ny navaliny azy: «Avy any Betlehema any Jodà izahay, ka ho any amin’ny sisin’ny tendrombohitr’i Efraima izay tany niaviako. Tany Betlehema any Jodà aho, ary ho any an-tranon’i Iaveh, nefa tsy mba misy olona mampiantrano ahy akory.
Dia hoy izy hoe: «Indro misy fetin’i Iaveh ankalazaina isan-taona any Silao», ilay tanàna ao avaratr’i Betela, atsinanan’ny lalana miakatra avy any Betela ho any Sikema ary atsimon’i Libàna,
dia jereo, ka nony injay mivoaka hiara-mandihy ny zazavavin’i Silao, dia mivoaha avy ao an-tanimboaloboka, ka samia ianareo misambotra izay ho vadinareo amin’ny zazavavin’i Silao, dia handeha hankany amin’ny tanin’i Benjamina indray.»
Niakatra avy any an-tanàna isan-taona ralehilahy io, hivavaka amin’i Iavehn’ny tafika sy hanatitra sorona aminy, any Silao. Ary tao ny zanak’i Helì, roa lahy, dia i Ofnì sy i Finea, mpisoron’i Iaveh.
Dia naniraka nankany Silao ny olona, ka nentina avy amin’io tanàna io ny Fiaran’ny Faneken’i Iavehn’ny tafika, izay mipetraka amin’ny Kerobima. Niaraka tamin’ny Fiaran’ny Faneken’i Iaveh Andriamanitra izy mirahalahy zanak’i Helì, dia i Ofnì sy i Finea.