Mpitsara 18:14 - Baiboly Katolika Tamin’izay izy dimy lahy izay efa nandeha nisafo ny tanin’i Laïsa teo, dia niteny tamin’ireo rahalahiny, ka nanao hoe: «Fantatrareo va fa misy efôda sy tarafima ary sarin-javatra voasokitra aman-javatra anidina, amin’ireto trano ireto? Koa hevero izao izay tokony hataonareo». Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy izy dimy lahy izay nandeha hisafo ny tany Laisy, tamin’ireo rahalahiny hoe: Fantatrareo va fa ato amin’ireto trano ireto misy efoda sy terafima ary sarin-javatra voasokitra ary sarin-javatra voarendrika? Koa hevero izay hataonareo. DIEM PROTESTANTA Dia hoy izy dimy lahy izay nisafo ny faritanin’i Laîsy tamin’ny namany: –Fantatrareo ve fa ny iray amin’ireo trano ireo dia misy efôda sy terafima ary sampy vita sarivongana metaly narendrika? Ankehitriny hevero izay tokony hataonareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy izy dimy lahy izay nisafo ny faritanin’i Laîsy tamin’ny namany: –Fantatrareo ve fa ny iray amin’ireo trano ireo dia misy efôda sy terafima ary sampy vita sarivongana metaly narendrika? Ankehitriny hevero izay tokony hataonareo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary niteny izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany Laisy, ka nanao tamin’ ny rahalahiny hoe: Fantatrareo va fa ato amin’ireto trano ireto misy efoda sy terafima ary sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina? koa hevero izay hataonareo. Malagasy Bible Ary niteny izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany Laisy, ka nanao tamin'ny rahalahiny hoe: Fantatrareo va fa ato amin'ireto trano ireto misy efoda sy terafima ary sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra anidina? koa hevero izay hataonareo. La Bible en Malgache Hoy izy dimy lahy izay nandeha hisafo ny tany Laisy, tamin’ireo rahalahiny hoe: Fantatrareo va fa ato amin’ireto trano ireto misy efoda* sy terafima* ary sarin-javatra voasokitra ary sarin-javatra voarendrika? Koa hevero izay hataonareo. |
Anaka, raha mitsahatra tsy mihaino fampianarana ianao, dia hanalavitra ny tenin’ny fahaizana.
Fa mandritra ny andro maro ny zanak’i Israely no hitoetra tsy mana-mpanjaka, tsy mana-mpanapaka, tsy manan-tsorona, tsy manan-tsangam-bato, tsy manana efôda ary tsy manan-terafima.
Fa nanana tranon’Andriamanitra io Mikasy io. Nanao efôda sy terafima izy, ary ny anankiray tamin’ny zanany lahy dia natokany nataony mpisorony.
Avy teo izy dia nandroso nankany amin’ny tendrombohitr’i Efraima ka tonga tao an-tranon’i Mikasy.
Dia nivily nankeo izy, ka niditra tao amin’ny tranon’ilay tovolahy Levita, dia ny tranon’i Mikasy, sy nanao akory azy;
Nanaovan’i Jedeôna efôda izany volamena izany, dia napetrany ao an-tanànany ao Efrà, ka nankany avokoa i Israely rehetra nitolo-tena teo amin’izany Efôda izany, ary tonga fandrika ho an’i Jedeôna sy ny ankohonany izany.
Fa niteny kosa tamin’izay ity olona iray tamin’ny vahoaka, nanao hoe: «Rainao anie ka nampianiana ny vahoaka nanao hoe: Ho voaozona anie izay lehilahy mihinan-kanina anio! Efa reraka erỳ ny vahoaka».
Nalain’i Mikola ny terafima nony avy eo, ka nampidiriny teo am-parafara, ary hoditr’osivavy no nataony teo amin’ny fitoeran’ny lohany, ary norakofany lamba.