Ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy izay fandrika sy harato ny fony; ary famatorana ny tanany; izay matahotra an’Andriamanitra afa-mandositra azy; fa ny mpanota kosa hosingorany.
Mpitsara 16:8 - Baiboly Katolika Dia nitondran’ireo filohan’ny Filistinina tady fito vaovao, tsy mbola maina i Dalilà, ka nofatorany tamin’ireo izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nitondran’ireo lehiben’ny Filistina tady vaovao fito izay tsy mbola maina Ravehivavy ka namatotra azy tamin’ireny. DIEM PROTESTANTA Dia nitondran’ireo mpanjaka filistinina tady vaovao fito tsy mbola maina i Delilà ka nentiny namatorana an’i Samsôna ireny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nitondran’ireo mpanjaka filistinina tady vaovao fito tsy mbola maina i Delilà ka nentiny namatorana an’i Samsôna ireny. Baiboly Protestanta Malagasy Dia niakatra nankany aminy ireo andrianan’ny Filistina nitondra tady vaovao fito izay tsy mbola maina, dia namatotra azy tamin’ireny ravehivavy. Malagasy Bible Dia niakatra nankany aminy ireo andrianan'ny Filistina nitondra tady vaovao fito izay tsy mbola maina, dia namatotra azy tamin'ireny ravehivavy. La Bible en Malgache Dia nitondran’ireo lehiben’ny Filistina tady vaovao fito izay tsy mbola maina Ravehivavy ka namatotra azy tamin’ireny. |
Ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy izay fandrika sy harato ny fony; ary famatorana ny tanany; izay matahotra an’Andriamanitra afa-mandositra azy; fa ny mpanota kosa hosingorany.
Ary hoy i Samsôna taminy: «Raha tady fito vaovao tsy mbola maina, no amatorana ahy, dia osa sy sahala amin’ny olon-kafa aho».
Ary efa nasiany olona nanotrika ao an’efitranony, dia hoy izy taminy hoe: «Irotsahan’ny Filistinina ianao, ry Samsôna!» Notapahany anefa ny tady ka niraraka ompana hoatra ny kofehy hoton-drongony voan’afo. Dia tsy fantatra izay niafenan’ny heriny.