Mpitsara 16:17 - Baiboly Katolika ka nambarany taminy izay tao am-pony rehetra, ary hoy izy taminy: «Tsy mbola nodiavin-kareza ny lohako, na oviana na oviana, fa nazarean’Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho. Fa raha haratana aho dia hiala amiko ny heriko, dia hanjary osa sy ho tahaka ny olona rehetra ihany aho.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nambarany azy ny tao am-pony rehetra ka hoy izy taminy: Tsy mbola nokasihin-kareza ny lohako, fa Nazirita ho an’Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho. Koa raha aratana aho dia hiala amiko ny heriko, ary ho osa aho ka ho tonga tahaka ny olona rehetra. DIEM PROTESTANTA ary nanambara tamin’i Delilà ny tsiambaratelo rehetra tao am-pony izy ka nanao hoe: –Tsy mbola nokasihin-kareza mihitsy ny volon-dohako, fa natokana ho an’Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho. Koa raha tapahina ny volon-dohako, dia hanjary osa tahaka ny olon-tsotra rehetra aho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary nanambara tamin’i Delilà ny tsiambaratelo rehetra tao am-pony izy ka nanao hoe: –Tsy mbola nokasihin-kareza mihitsy ny volon-dohako, fa natokana ho an’Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho. Koa raha tapahina ny volon-dohako, dia hanjary osa tahaka ny olon-tsotra rehetra aho. Baiboly Protestanta Malagasy Ary dia nambarany azy ny tao am-pony rehetra, ka hoy izy taminy: Tsy mbola nokasihin-kareza ny lohako, fa Nazirita ho an’Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho; koa raha haratana aho, dia hiala amiko ny heriko, ary ho osa aho ka ho tahaka ny olona rehetra, Malagasy Bible Ary dia nambarany azy ny tao am-pony rehetra, ka hoy izy taminy: Tsy mbola nokasihin-kareza ny lohako, fa Nazirita ho an'Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho; koa raha haratana aho, dia hiala amiko ny heriko, ary ho osa aho ka ho tahaka ny olona rehetra, La Bible en Malgache Dia nambarany azy ny tao am-pony rehetra ka hoy izy taminy: Tsy mbola nokasihin-kareza ny lohako, fa Nazirita ho an’Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho. Koa raha aratana aho dia hiala amiko ny heriko, ary ho osa aho ka ho tonga tahaka ny olona rehetra. |
Izay mahafehy ny vavany, miaro ny fanahiny; fa izay fatra-piloa-bava kosa, mitady ny lozany.
Aza mino izay sakaiza ianareo, na matoky izay ifankazarana indrindra: na eo anatrehan’ilay mandry eo am-pofoanao aza dia tano ny teny ao am-bavanao!
«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mitokana noho ny voady, dia voady ho nazareàna izany, mba hanokan-tena ho voninahitra ho an’i Iaveh,
Mandritra ny fotoana rehetra nivoadiny ho nazareàna, dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro itokanany ho hajan’i Iaveh, dia ho masina izy, ka havelany haniry ho azy ny volon-dohany.
Mbola nitoetra tao Kôrinto andro maromaro ihany i Paoly, vao nanao veloma ny havana iray finoana, ka niondrana nankany Siria, niaraka tamin’i Prisila sy i Akilasy, ary nohetezany tao Senkrea ny volon-dohany, fa nisy voady nataony.
fa hanana anaka ianao, ka hitera-dahy. Tsy hokasihin-kareza ny lohany, fa io zaza io ho nazarean’Andriamanitra hatrany am-bohoka; ary izy no hanomboka hanafaka an’i Israely amin’ny tanan’ny Filistinina».
Dia nitory kisina taminy isan’andro teo izy sy nanorisory azy tamin’ny hata-dava, ka efa sosotra mafy ny fanahiny nila hahafaty azy:
Hitan’i Dalilà fa noborahiny taminy ny tao am-pony rehetra, ka naniraka hiantso ny filohan’ny Filistinina izy, sy nampilaza tamin’izy ireo hoe: «Miakara amin’izao, fa efa noborahiny tamiko ny tao am-pony rehetra.» Dia niakatra ireo filohan’ny Filistinina, samy nanao an-tanany ny volany.