Nanafaka azy ireo matetika Izy; nefa niodina nanaraka ny fisainany izy ireo; ka ny helony no nahaverezany ny tenany.
Mpitsara 16:14 - Baiboly Katolika Dia naompan-dravehivavy tamin’ny fàntaka ireny. Rehefa izany dia hoy izy taminy: «Irotsahan’ny Filistinina ianao, ry Samsôna!» Taitra tamin’ny torimasony izy, dia nongotany ny fàntaka fanenomana ny tenona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nofeheziny tamin’ny tsatòka izany, dia hoy izy taminy: Tonga hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin’ny torimasony izy ka nohongotany ny tsatòka sy ny tenona. DIEM PROTESTANTA Dia nampatorin’i Delilà i Samsôna ka notenominy hikambana amin’ny tenan-tenona ny randrana fito tamin’ny volon-dohany ary naompany tamin’ny fandraotra, dia nihiaka mafy ravehivavy hoe: –Ry Samsôna a, tonga hamely anao ny Filistinina! Dia nifoha i Samsôna ka nongotany ny fandraotra sy ny rafi-panenomana ary ny tenan-tenona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nampatorin’i Delilà i Samsôna ka notenominy hikambana amin’ny tenan-tenona ny randrana fito tamin’ny volon-dohany ary naompany tamin’ny fandraotra, dia nihiaka mafy ravehivavy hoe: –Ry Samsôna a, tonga hamely anao ny Filistinina! Dia nifoha i Samsôna ka nongotany ny fandraotra sy ny rafi-panenomana ary ny tenan-tenona. Baiboly Protestanta Malagasy Ary notsatohany ny fàntaka izany, dia hoy izy taminy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin’ny torimasony izy, ka nongotany ny fàntaka sy ny tenona. Malagasy Bible Ary notsatohany ny fantaka izany, dia hoy izy taminy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin'ny torimasony izy, ka nangotany ny fantaka sy ny tenona. La Bible en Malgache Nofeheziny tamin’ny tsatòka izany, dia hoy izy taminy: Tonga hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin’ny torimasony izy ka nohongotany ny tsatòka sy ny tenona. |
Nanafaka azy ireo matetika Izy; nefa niodina nanaraka ny fisainany izy ireo; ka ny helony no nahaverezany ny tenany.
Hoy i Dalilà tamin’i Samsôna: «Mamazivazy ahy foana ianao hatramin’izao, ary lainga no nataonao tamiko. Fa izay tokony hamatorana anao no aoka hambaranao ahy.» Dia hoy izy taminy: «Izao ihany; tenomy hikambana amin’ny tenona ny foto-bolo fito amin’ny lohako.»
Ka hoy ravehivavy taminy: «Ahoana no dia anaovanao hoe: Tiako ianao, nefa ny fonao tsy amiko akory? Indro efa intelo ianao izao no namazivazy ahy ihany; fa mbola tsy nilaza tamiko izay itoeran’ny herinao lehibe»