Izao no anaran’ny lehilahy mahery izay eo amin’i Davida: i Jesboama zanak’i Hakamonì, no filohan’ny manamboninahitra. Nampandihy ny lefony tamin’ny olona 800 lahy, izay nataony maty tamin’ny indray mandeha monja, izy.
Mpitsara 15:15 - Baiboly Katolika ary nahita valanoranon’ampondra vaovao izy, dia nanatsotra ny tanany nandray an’izay, ka nahafaty arivo lahy taminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nahita valanoranom-boriky tsy mbola maina izy dia nanainga ny tanany ka naka azy, ary iny no namonoany arivo lahy. DIEM PROTESTANTA Nahita valanoranom-boriky iray vao novonoina i Samsôna; ary noraisiny izany ka namonoany ho faty arivo lahy tamin’ny Filistinina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nahita valanoranom-boriky iray vao novonoina i Samsôna; ary noraisiny izany ka namonoany ho faty arivo lahy tamin’ny Filistinina. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nahita valanoranom-boriky vaovao izy, dia naninjitra ny tànany naka azy, ka iny no namonoany arivo lahy. Malagasy Bible Ary nahita valanoranom-boriky vaovao izy, dia naninjitra ny tànany naka azy, ka iny no namonoany arivo lahy. La Bible en Malgache Ary nahita valanoranom-boriky tsy mbola maina izy dia nanainga ny tanany ka naka azy, ary iny no namonoany arivo lahy. |
Izao no anaran’ny lehilahy mahery izay eo amin’i Davida: i Jesboama zanak’i Hakamonì, no filohan’ny manamboninahitra. Nampandihy ny lefony tamin’ny olona 800 lahy, izay nataony maty tamin’ny indray mandeha monja, izy.
Dimy aminareo no hanenjika zato, ary zato aminareo no hanenjika iray alina; ho lavon-tsabatra eo anoloanareo ny fahavalonareo.
namono ny herin’ny afo, afaka tamin’ny lelan’ny sabatra, nositranina tamin’ny aretina, nampiseho herim-po tamin’ny ady, nampandositra ny miaramilan’ny fahavalo;
Iray taminareo no nanenjika arivo fa i Iaveh Andriamanitrareo no niady ho anareo, araka ny efa voalazany taminareo.
Ka hoy i Samsôna hoe: «Valanoranon’ampondra iray no namazambazanako an’ireny; Valanoranon’ampondra iray no nahafatesako arivo lahy.»
Nony nitsaha-niteny izy, ilay valanorano natsipiny avy teny an-tanany, io toerana io nomeny anarana hoe Ramata-Lekia.
I Samigara zanak’i Anata no nanarakaraka azy. Nandresy Filistinina enin-jato lahy, tamin’ny fanindronan’omby izy, ka mpanafaka an’i Israely koa.
Fa nalain’i Jahela vadin’i Habera kosa ny tsima-day, nataony an-tanana ny tantanana, ary nitsaitsaika nanatona azy izy, dia natsatony tamin’ny fihirifany ny tsimatra, ka tafagorobaka tamin’ny tany, fa renoky ny torimaso izy azon’ny hasasarana mafy; dia maty izy.
Nozarainy telo izy telon-jato lahy, ka samy nomeny trômpetra sy siny foana avokoa; ary fanilo tao anaty siny,
Dia sahabo ho roapolo lahy aloha no matin’i Jônatasy sy ny mpitondra fiadiany tamin’io famelezany voalohany tao anatin’ny tany antsasaky ny vava asa aminy tany iray arpenta.
Dia hoy i Jônatsy tamin’ny zatovo nitondra ny fiadiany: «Andeha isika ho any amin’ny antoko-miaramilan’ireo tsy mifora ireo; angamba hiasa hanampy antsika i Iaveh, satria tsy misy mahasakana an’i Iaveh tsy hamonjy, na amin’ny maro na amin’ny vitsy».