Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitoriteny 8:2 - Baiboly Katolika

Hoy aho: Tandremo ny didin’ny mpanjaka, noho ny efa nianianana tamin’Andriamanitra:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hoy aho: Tandremo ny didin’ny mpanjaka, ary izany dia noho ny fianianana nataon’Andriamanitra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tandremo ny baikon’ny mpanjaka. Efa nianiana taminy teo anatrehan’Andriamanitra ianao,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tandremo ny baikon’ny mpanjaka. Efa nianiana taminy teo anatrehan’Andriamanitra ianao,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Hoy izaho: Tandremo ny didin’ny mpanjaka noho ny efa nianianana tamin’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Hoy izaho: Tandremo ny didin'ny mpanjaka noho ny efa nianianana tamin'Andriamanitra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hoy aho: Tandremo ny didin’ny mpanjaka, ary izany dia noho ny fianianana nataon’Andriamanitra.

Jereo ny toko



Mpitoriteny 8:2
10 Rohy Ifampitohizana  

I Mifibôseta zanak’i Jônatasy, zanak’i Saola, no notsimbinin’ny mpanjaka, noho ny fianianana tamin’i Iaveh teo anelanelan’izy roa lahy, dia i Davida sy i Jônatasy zanak’i Saola.


Ka nahoana àry ianao no tsy nitandrina ny fianianana tamin’i Iaveh sy ny didy nomeko anao?»


Nanoa an’i Salômôna mpanjaka avokoa ny mpifehy sy ny lehilahy mahery rehetra, hatramin’ireo zanak’i Davida mpanjaka rehetra.


dia ny fianianana amin’i Iaveh no hampanaovina amin’izy roa tonta hahalalàna raha noraisin’ny tanany ny fananan’ny namany, ary hanaiky izany ny tompom-biby, dia tsy hanonitra itsy anankiray.


Anaka, matahora an’i Iaveh sy ny mpanjaka, ary aza mba miharoharo amin’ny olona mpanakorontana.


Ampahatsiarovy ny mpino fa adidin’izy ireo ny manaiky ny mpanapaka sy ny manam-pahefana, ka tsy maintsy manoa azy ireo izy sy vonon-kanao ny asa soa rehetra,


Ary niditra ny ala ny vahoaka ka nahita tantely nitsononòka, nefa tsy nisy sahy nanainga ny tanany ho eo am-bavany, fa natahotra ny fianianana ny vahoaka.