Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitoriteny 6:8 - Baiboly Katolika

Fa inona no soa azon’ny hendry mihoatra noho ny an’ny adala? inona no soa azon’ny mahantra mahay mitondra tena eo imason’ny velona?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa inona no soa azon’ny hendry mihoatra noho ny adala? Tombontsoa inona no ananan’ny mahantra izay mahay mitondra tena eo imason’ny velona?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa inona no soa azon’ny hendry miohatra amin’ny adala? Inona no soa azon’ny olo-mahantra izay mahay miavo-tena eo amin’ny fiainana?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa inona no soa azon’ny hendry miohatra amin’ny adala? Inona no soa azon’ny olo-mahantra izay mahay miavo-tena eo amin’ny fiainana?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa inona no soa azon’ny hendry noho ny adala? Inona no azon’ny malahelo izay mahay mitondra tena eo imason’ny velona?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa inona no soa azon'ny hendry noho ny adala? Inona no azon'ny malahelo izay mahay mitondra tena eo imason'ny velona?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa inona no soa azon’ny hendry mihoatra noho ny adala? Tombontsoa inona no ananan’ny mahantra izay mahay mitondra tena eo imason’ny velona?

Jereo ny toko



Mpitoriteny 6:8
9 Rohy Ifampitohizana  

Nony efa sivy amby sivy folo taona i Abrama dia niseho taminy i Iaveh ka nanao taminy hoe: «Izaho no Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra; mizora eo anatrehako ary aza manan-tsiny ianao;


Hitandrina ny lalan’ny tsy fananan-tsiny aho. - Rahoviana no ho tonga aty amiko Ianao? - Handeha amin’ny fahitsian’ny foko aho, eo afovoan’ny tranoko.


Izaho mbola handeha eo anatrehan’i Iaveh eo amin’ny tanin’ny velona.


Aleo olo-mahantra mandeha tsy misy tsiny, toy izay olona miavonavom-bava, sady adala.


Mamy ny torimason’ny mpiasa, na kely na be no hanin-kohaniny; fa tsy ahitan’ny mpanankarena tory kosa ny fahavokisany.


Aleo ny hita maso, toy izay ny firedireden’ny faniriana. Zava-poana amam-panenjehan-drivotra ihany koa izany.


Samy marina teo imason’Andriamanitra izy mivady, sady nitondra tena tsy nanan-tsiny tamin’ny didy sy ny tenin’ny Tompo rehetra.


Anaro ny mpanan-karena amin’izao fiainana izao, mba tsy hiavonavona, na hanantena harena tsy mateza, fa hanantena an’Andriamanitra, mpanome antsika malalaka ny zavatra ilaintsika;