Mpitoriteny 5:9 - Baiboly Katolika Izay tia vola tsy mety vokim-bola; ary izay tia harena, tsy hanandrana ny vokatr’izany. Zava-poana koa izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izay tia vola dia tsy ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be dia tsy ho vokin’ny fitomboan-karena. Zava-poana koa izany. DIEM PROTESTANTA Izay tia vola dia tsy ho afa-po mihitsy; ary izay tia harena dia tsy ho vokin’izany mihitsy. Zava-poana koa izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izay tia vola dia tsy ho afa-po mihitsy; ary izay tia harena dia tsy ho vokin’izany mihitsy. Zava-poana koa izany. Baiboly Protestanta Malagasy Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin’ny fitomboan-karena; fa zava-poana koa izany. Malagasy Bible Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin'ny fitomboan-karena; fa zava-poana koa izany. La Bible en Malgache Izay tia vola dia tsy ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be dia tsy ho vokin’ny fitomboan-karena. Zava-poana koa izany. |
Ny tany voasan’ny mahantra, ahazoan-kanina be; ny sasany kosa ringana, noho ny tsy fahamarinany.
Misy olona mitoetra irery, ka tsy misy anankiray hafa miaraka aminy, tsy zanaka, tsy rahalahy, kanefa aza lava tsy misy farany ny azy, ary tsy afa-dian-karena ny masony: Ho an’iza àry ity iasako, sy tsy ampananako fiadanana ny fanahiko? Zava-poana koa izany, ary lahasa ratsy.
Raha mitombo ny harena, mitombo koa ny mpihinana azy, ary inona moa no soa azon’ny tompony amin’izany, afa-tsy ny mahita maso izany fotsiny?
Tena soa kokoa ho an’ny tany, raha dinihina tsara, ny hananany mpanjaka mikarakara ny fambolena.
Ny asan’ny olombelona dia ho an’ny vavany avokoa, nefa ny faniriany tsy mety afa-po na oviana na oviana.