Mpitoriteny 3:21 - Baiboly Katolika Iza moa no mahalala ny fofon’ain’ny zanak’olombelona miakatra any ambony, ary ny fofon’ain’ny biby, midina any ambany mankamin’ny tany? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Iza no mahalala raha miakatra ho any ambony ny fanahin’ny olombelona, ary raha midina any ambany, amin’ny tany, ny fanahin’ny biby? DIEM PROTESTANTA Tsy misy afaka manamarina fa ny fofonain’ny olona dia miakatra any ambony ary ny an’ny biby kosa dia midina any ambany, ao anaty tany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy misy afaka manamarina fa ny fofonain’ny olona dia miakatra any ambony ary ny an’ny biby kosa dia midina any ambany, ao anaty tany. Baiboly Protestanta Malagasy Iza no mahalala ny fanahin’ny olombelona, na miakatra any ambony izy, na tsia, ary ny fanahin’ny biby, na midina amin’ny tany izy, na tsia? Malagasy Bible Iza no mahalala ny fanahin'ny olombelona, na miakatra any ambony izy, na tsia, ary ny fanahin'ny biby, na midina amin'ny tany izy, na tsia? La Bible en Malgache Iza no mahalala raha miakatra ho any ambony ny fanahin’ny olombelona, ary raha midina any ambany, amin’ny tany, ny fanahin’ny biby? |
dieny mbola tsy miverina amin’ny tany ny vovoka, araka ny toetrany taloha indray, ary ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra izay nanome azy.
rehefa lasa Aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo, dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko, dia izay itoerako no hitoeranareo koa.
mba hanana anjara amin’izao fandraharahan’ny Apôstôly izao, izay nialan’i Jodasy hankanesany any amin’ny fitoerany.»
Fantatray fa rehefa rava ity trano lay itoeranay eto an-tany ity, manan-trano tsy nataon-tanan’olona, fa narafitr’Andriamanitra izahay, dia trano haharitra mandrakizay any an-danitra.
dia izany toky izany no itiavanay kokoa ny miala amin’ny vatana, mba hitoetra eo akaikin’ny Tompo.
Halahatr’i Iaveh ho lohany ianao, fa tsy ho rambony. Ho ambony mandrakariva ianao, fa tsy ho ambany na oviana na oviana, raha tahiny ianao mitandrina ny didin’i Iaveh Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy,
fa sanganehana eo anelanelan’izy roa ireo aho: ny handeha ho any amin’i Kristy moa, iriko sy tsara lavitra: