Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao amin’ny tany; satria tany no nangalana anao, fa vovoka ianao, ary hody vovoka indray.»
Mpitoriteny 3:10 - Baiboly Katolika Nodinihiko ny asa asain’Andriamanitra isasaran’ny zanak’olombelona; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Efa hitako ny asa izay nomen’Andriamanitra ny zanak’olombelona hisahiranany. DIEM PROTESTANTA Nodinihiko ny asa asain’Andriamanitra hilofosan’ny olona; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nodinihiko ny asa asain’Andriamanitra hilofosan’ny olona; Baiboly Protestanta Malagasy Efa hitako ny asa mampahory izay nomen’Andriamanitra ny zanak’olombelona hisasarany. Malagasy Bible Efa hitako ny asa mampahory izay nomen'Andriamanitra ny zanak'olombelona hisasarany. La Bible en Malgache Efa hitako ny asa izay nomen’Andriamanitra ny zanak’olombelona hisahiranany. |
Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao amin’ny tany; satria tany no nangalana anao, fa vovoka ianao, ary hody vovoka indray.»
Toy ny tsy ahalalanao ny lalan’ny rivotra sy ny fomba fiforonan’ny taolana ao am-bohoka, no tsy ahalalanao ny asan’Andriamanitra izay manao ny zavatra rehetra.
Fa ny olona izay tsara eo imasony dia omeny ny fahendrena amam-pahaizana ary fifaliana. Ny omeny ny mpanota kosa, dia ny mikarakara ny famoriana amam-panavosàna zavatra mba hisy omeny an’izay olona tsara eo imason’Andriamanitra. Ary zava-poana ihany koa izany sady fanenjehan-drivotra.
He, tsaroanareo, ry kristianina havana, ny fikelezana aina amam-pisasaranay, fa sady niasa andro aman’alina izahay no nitory ny Evanjelin’Andriamanitra tany aminareo, mba tsy hahavaky tratra olona na dia iray taminareo aza.
Tsy mba nihina-mofon’olona maimaim-poana izahay, fa niasa andro aman’alina, ka sasatra sy trotraka erỳ, mba tsy hahavaky tratra na dia ny iray akory taminareo aza;