Mpitoriteny 12:6 - Baiboly Katolika Dieny mbola tsy tapaka ny kofehy volafotsy, mbola tsy vaky ny tamaboa volamena, mbola tsy vaky ny siny eo an-doharano, mbola tsy tapaka ny bolaky ka latsaka eo an-davaka famorian-drano; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dieny tsy mbola mivaha ny kofehy volafotsy, tsy mbola vaky ny vilia volamena fitoeran-diloilo, tsy mbola potika ny siny eo an-doharano, ary tsy mbola tapaka ny kodia eo an-davaka fantsakana. DIEM PROTESTANTA Dia ho tapaka ny kofehim-bolafotsin’ny fiainana; ho montsamontsana ny tavoara volamena; eny am-pantsakana no ho vaky ny siny; ho latsaka an-davaka famorian-drano ny fanovozana bolaky. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia ho tapaka ny kofehim-bolafotsin’ny fiainana; ho montsamontsana ny tavoara volamena; eny am-pantsakana no ho vaky ny siny; ho latsaka an-davaka famorian-drano ny fanovozana bolaky. Baiboly Protestanta Malagasy dieny tsy mbola mivaha ny kofehy volafotsy, ary tsy mbola vaky ny vilia volamena fitoeran-diloilo, ary tsy mbola rava ny barika eo an-doharano, ary tsy mbola tapaka ny kodia eo an-davaka famorian-drano, Malagasy Bible dieny tsy mbola mivaha ny kofehy volafotsy, ary tsy mbola vaky ny vilia volamena fitoeran-diloilo, ary tsy mbola rava ny barika eo an-doharano, ary tsy mbola tapaka ny kodia eo an-davaka famorian-drano, La Bible en Malgache dieny tsy mbola mivaha ny kofehy volafotsy, tsy mbola vaky ny vilia volamena fitoeran-diloilo, tsy mbola potika ny siny eo an-doharano, ary tsy mbola tapaka ny kodia eo an-davaka fantsakana. |