Notsimbininy tsy hidina any an-davaka ny fanahiko; ary mivelatra eo amin’ny hazavana ny aiko›.
Mpitoriteny 11:7 - Baiboly Katolika Mamy ny fahazavana, ary mahafinaritra ny maso ny mahita ny mason’andro. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mamy tokoa ny mazava ary mahafinaritra ny maso ny mijery ny masoandro; DIEM PROTESTANTA Kanto ny fahazavàn’ny andro, ary mahafinaritra ny maso ny fahitana ny masoandro. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Kanto ny fahazavàn’ny andro, ary mahafinaritra ny maso ny fahitana ny masoandro. Baiboly Protestanta Malagasy Mamy tokoa ny mazava, ary mahafinaritra ny maso ny mijery ny masoandro; Malagasy Bible Mamy tokoa ny mazava, ary mahafinaritra ny maso ny mijery ny masoandro; La Bible en Malgache Mamy tokoa ny mazava ary mahafinaritra ny maso ny mijery ny masoandro; |
Notsimbininy tsy hidina any an-davaka ny fanahiko; ary mivelatra eo amin’ny hazavana ny aiko›.
mba hampiverina azy amin’ny fahafatesana, sy hanazava azy amin’ny fahazavan’ny velona.
Ny voady nataoko taminao, ry Andriamanitra, tsy maintsy hoefaiko; hanatitra sorona fisaorana aminao aho.
Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo; aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro, toy izay monina ao an-dain’ny ratsy fanahy.
Dieny mbola tsy maizina ny masoandro, sy ny fahazavana ary ny volana aman-kintana, ary mbola tsy mitambatra indray ny rahona aorian’ny orana,
mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo, dia Ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, ary mandatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.