Nofaizinao ny firenena, naringanao ny tsy mpivavaka, nokosehinao ho faty mandrakizay antaranoana ny anaran’ireny.
Mpitoriteny 1:11 - Baiboly Katolika Ny taloha tsy tsaroan’ny olona; ny ho avy any aoriana koa, tsy hamela fahatsiarovana, ao amin’izay ho velona rahatrizay. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsy tsaroana ny taloha ary ny ho avy koa dia tsy ho tsaroan’ny taranaka manaraka. DIEM PROTESTANTA Fa nohadinointsika kosa ireo razantsika fahagola. Ary ireo olona handimby antsika koa dia tsy hotsarovan’izay handimby azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa nohadinointsika kosa ireo razantsika fahagola. Ary ireo olona handimby antsika koa dia tsy hotsarovan’izay handimby azy. Baiboly Protestanta Malagasy Tsy misy fahatsiarovana ny taloha; ary ny ho avy koa dia tsy hotsarovan’izay handimby azy. Malagasy Bible Tsy misy fahatsiarovana ny taloha; ary ny ho avy koa dia tsy hotsarovan'izay handimby azy. La Bible en Malgache Tsy tsaroana ny taloha ary ny ho avy koa dia tsy ho tsaroan’ny taranaka manaraka. |
Nofaizinao ny firenena, naringanao ny tsy mpivavaka, nokosehinao ho faty mandrakizay antaranoana ny anaran’ireny.
Raha misy zavatra lazaina hoe: He, vaovao izany! dia efa nisy sahady tamin’ny siekla talohantsika izany zavatra izany.
Fa ny fahatsiarovana ny hendry, dia tsy mandrakizay, toy ny an’ny adala ihany koa; hatramin’ny andro vao manaraka dia samy hohadinoina ihany izy roa tonta. Hanky ny hendry mba maty tahaka ny adala!
Hitako fahizany, fa ny ratsy fanahy mahazo levenana, sy tafiditra ny fitsaharany, fa ny olona manao ny marina kosa, miala lavitra ny fitoerana masina, ary hadinoina ao an-tanàna. Zava-poana koa izany.
Fa ny velona mahalala fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona, ary tsy manan-tamby intsony izy fa hadino ny fahatsiarovana azy.
Efa tanteraka izay, ireo zavatra taloha; ary zava-baovao indray izao no ambarako; alohan’ny hitrangany dia ampandrenesiko rahateo ianareo.