Mika 4:14 - Baiboly Katolika Koa ankehitriny, ry zanaka vavin’ny antoko miaramila, vorio ny antoko - miaramilanao! Fa isika efa natao fahirano; asiana ny tsora-kazo amin’ny takolany ny mpitsara an’i Israely Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa mivoria ho andiany ianao, ry zanakavavin’ny andian-tafika! Ataovy fahirano izahay; asio amin’ny tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran’ny Israely. DIEM PROTESTANTA Ankehitriny aloha, asio tombokavatsa ny tenanareo mba ho mariky ny fisaonana, ry mponin’i Jerosalema izay manangona ny andia-miaramilanareo; fa ataon’ny fahavalo fahirano ianareo, ary dia hokapohiny amin’ny tsorakazo ny takolan’ilay mpitsaran’i Israely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ankehitriny aloha, asio tombokavatsa ny tenanareo mba ho mariky ny fisaonana, ry mponin’i Jerosalema izay manangona ny andia-miaramilanareo; fa ataon’ny fahavalo fahirano ianareo, ary dia hokapohiny amin’ny tsorakazo ny takolan’ilay mpitsaran’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy Koa mivory ho andiany hianao, ry zanakavavin’ny andiany! Manao fahirano antsika izy, Mamely tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran’ny Isiraely izy. La Bible en Malgache Koa mivoria ho andiany ianao, ry zanakavavin’ny andian-tafika! Ataovy fahirano izahay; asio amin’ny tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran’ny Israely. |