Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 9:32 - Baiboly Katolika

Nony lasa ireo, dia indro nentin’ny olona teo amin’i Jesoa indray ity lehilahy anankiray sady moana no azon’ny demony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary rehefa lasa ireo dia indro, nisy lehilahy moana iray izay demoniaka noentin’ny olona teo amin’i Jesosy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nony lasa izy roa lahy ireo, dia indro nentin’olona teo amin’i Jesoa ity lehilahy azon’ny demony mampahamoana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nony lasa izy roa lahy ireo, dia indro nentin’olona teo amin’i Jesoa ity lehilahy azon’ny demony mampahamoana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY rehefa nivoaka ireo, dia indro, nisy lehilahy moana anankiray izay demoniaka nentin’ny olona tany amin’i Jesosy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa nivoaka ireo, dia indro, nisy lehilahy moana anankiray izay demoniaka nentin'ny olona tany amin'i Jesosy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary rehefa lasa ireo dia indro, nisy lehilahy moana iray izay demoniaka noentin’ny olona teo amin’i Jesosy.

Jereo ny toko



Matio 9:32
5 Rohy Ifampitohizana  

Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa, hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana. Fa hisy rano miboiboika any an’efitra; ary sakeli-drano eny amin’ny tany lemaka lava volo.


Dia niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra izay azon’ny aretina sy ny fijaliana samihafa, dia ny mararin-javatra, ny mararin’ny androbe, ny malemy, ka nositraniny ireny.


Ary nandroaka demony i Jesoa, ka moana izany demony izany. Nony voaroaka ny demony, dia niteny ilay moana, ka gaga ny vahoaka;