Dia niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra izay azon’ny aretina sy ny fijaliana samihafa, dia ny mararin-javatra, ny mararin’ny androbe, ny malemy, ka nositraniny ireny.
Matio 9:26 - Baiboly Katolika Ary niely tamin’izany tany rehetra izany ny lazan’izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny lazan’izany dia niely tamin’izany tany rehetra izany. DIEM PROTESTANTA Ary niely eran’io faritany io ny lazan’izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary niely eran’io faritany io ny lazan’izany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny lazan’izany dia niely tamin’izany tany rehetra izany. Malagasy Bible Ary ny lazan'izany dia niely tamin'izany tany rehetra izany. La Bible en Malgache Ary ny lazan’izany dia niely tamin’izany tany rehetra izany. |
Dia niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra izay azon’ny aretina sy ny fijaliana samihafa, dia ny mararin-javatra, ny mararin’ny androbe, ny malemy, ka nositraniny ireny.
Kanjo nony lasa ralehilahy dia nilazalaza sy nampiely izany hatraiza hatraiza, hany ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony i Jesoa, fa nitoetra teny ivelany tamin’ny tany mangigina Izy, ary nohatonin’ny olona avy eny tontolo eny.
Nahare ny lazan’i Jesoa i Herôda mpanjaka, fa efa nihamalaza ny Anarany. Ary hoy ny sasany: «I Joany Batista nitsangan-ko velona avy any amin’ny maty izay, ka izany no iasan’ireo hery mahagaga aminy»;
Tamin’izay i Jesoa dia nentin’ny herin’ny Fanahy niverina tany Galilea indray, ary niely tamin’ny tany manodidina rehetra ny lazany.
Fa mainka niely ny lazany, ka nirohotra be dia be ny vahoaka mba hihaino Azy sy mba hositraniny amin’ny aretiny;
Dia niely eran’i Jodea sy ny tany manodidina rehetra izany teny fankalazana Azy izany.
Fantatry ny mpanjaka izany, ka lazaiko aminy amim-pahasahiana, satria ataoko fa tsy misy miafina aminy izany na dia kely aza, sady tsy nisy natao an-takona koa izany.