Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 9:11 - Baiboly Katolika

Ka nony nahita izany ny Farisianina, dia nilaza tamin’ny mpianany hoe: «Nahoana ity Mpampianatrareo no miara-mihinana amin’ny poblikanina sy ny mpanota?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Raha nahita izany ny Fariseo dia niteny tamin’ny mpianatra hoe: Nahoana kosa ny Mpampianatra anareo no miara-komana amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nahita izany ny Farisianina ka nilaza tamin’ny mpianatr’i Jesoa hoe: –Nahoana ny Mpampianatrareo no dia miara-misakafo amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nahita izany ny Farisianina ka nilaza tamin’ny mpianatr’i Jesoa hoe: –Nahoana ny Mpampianatrareo no dia miara-misakafo amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny Fariseo, raha nahita izany, dia niteny tamin’ny mpianatra hoe: Nahoana kosa ny Mpampianatra anareo no miara-komana amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny Fariseo, raha nahita izany, dia niteny tamin'ny mpianatra hoe: Nahoana kosa ny Mpampianatra anareo no miara-komana amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Raha nahita izany ny Fariseo* dia niteny tamin’ny mpianatra hoe: Nahoana kosa ny Mpampianatra anareo no miara-komana amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota?

Jereo ny toko



Matio 9:11
14 Rohy Ifampitohizana  

manao hoe: «Mihataha ianao! Aza manakaiky ahy, fa masina ho anao aho!» Ireny dia setroka eo am-bavoroko, afo mirehitra mandrakariva.


Tonga indray ny Zanak’olona, mihinana sy misotro, lazain’ny olona hoe: Lehilahy lian-kanina io, sady mpisotro divay sy sakaizan’ny Poblikanina mbamin’ny olon-dratsy fiaina rehetra. Fa efa nohamarinin’ny zanany ny Fahendrena.


Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valisoa ho azonareo? Moa va na dia ny Poblikanina aza tsy manao izany koa?


Ary raha nisakafo tao an-tranon’i Matio i Jesoa, dia nisy poblikanina sy mpanota betsaka tonga niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany.


Nony nahita Azy niara-nihinana tamin’ny Poblikanina sy ny mpanota ny mpanora-dalàna mbamin’ny Farisianina dia nilaza tamin’ny mpianany hoe: «Nahoana ny Mpampianatrareo no miara-mihinana sy misotro amin’ny Poblikanina sy ny mpanota?»


Ary nony nahita izany ny olona, dia nimonomonona nanao hoe: «Lasa niditra any an-tranon’ny mpanota Izy.»


Nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna ka nanao tamin’ny mpianany hoe: «Nahoana no miara-mihinana sy misotro amin’ny Poblikanina sy ny mpanota ianareo?»


nataony hoe «Nahoana ianao no niantrano tany amin’ny olona tsy voafora, sady niara-nihinana taminy?»


«Taranaky ny Jody isika, fa tsy mba mpanota avy amin’ny Jentily;


sady mahay miantra ny tsy mahalala sy ny mania Izy, satria na ny tenany aza mba voan’ny fahalemena ihany koa,


Raha misy olona tonga ao aminareo, ka tsy mitondra izao fampianarana izao, dia aza mandray azy ao an-tranonareo na miarahaba azy akory.