Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 8:32 - Baiboly Katolika

Ary hoy Izy taminy: «Mandehana.» Dia nivoaka ireo, ka niditra tamin’ny kisoa; niaraka tamin’izay, nirifatra nivarina any anaty ranomasina ny kisoa rehetra, ka maty tany anaty rano.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy Izy taminy: Mandehana! Dia lasa ireo ka niditra tao anatin’ny kisoa; ary indreny, nitratrevatreva teny amin’ny hantsana ho any amin’ny ranomasina ny kisoa rehetra ka maty tany anatin’ny rano.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia hoy i Jesoa tamin’ny demony: –Mandehana. Dia niala tamin’izy roa lahy ny demony ka lasa niditra tao amin’ny kisoa. Ary indreo ny kisoa andiany manontolo fa nirifatra ka nivarimbarina tan-kilahila ho any anaty farihy dia maty an-drano tao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia hoy i Jesoa tamin’ny demony: –Mandehana. Dia niala tamin’izy roa lahy ny demony ka lasa niditra tao amin’ny kisoa. Ary indreo ny kisoa andiany manontolo fa nirifatra ka nivarimbarina tan-kilahila ho any anaty farihy dia maty an-drano tao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Izy taminy: Mandehana. Dia nivoaka ireo, ka lasa nankany anatin’ny kisoa; ary, indreny, ny kisoa andiany rehetra nitratrevatreva teny amin’ny hantsana ho any amin’ny ranomasina, ka dia maty tany anatin’ny rano.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Izy taminy: Mandehana. Dia nivoaka ireo, ka lasa nankany anatin'ny kisoa; ary, indreny, ny kisoa andiany rehetra nitratrevatreva teny amin'ny hantsana ho any amin'ny ranomasina, ka dia maty tany anatin'ny rano.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy Izy taminy: Mandehana! Dia lasa ireo ka niditra tao anatin’ny kisoa; ary indreny, nitratrevatreva teny amin’ny hantsana ho any amin’ny ranomasina ny kisoa rehetra ka maty tany anatin’ny rano.

Jereo ny toko



Matio 8:32
10 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy ny navaliny: Hivoaka aho, ka ho tonga fanahy mandainga eo am-bavan’ny mpaminany rehetra. Dia hoy i Iaveh: Hanambaka azy ianao, sady hahomby amin’izany, ka mivoaha àry, ataovy izany.


ka nihanta tamin’i Jesoa ny demony nanao hoe: «Raha dia roahinao hiala eto àry izahay, mba alefaso ho amin’iretsy andian-kisoa iretsy.»


Ary nandositra ny mpiandry azy: ka nony tonga tany an-tanàna, dia nilaza izany rehetra izany, sy ny amin’ireo olona roa nidiran’ny demony.


Dia nekeny. Ka nivoaka ny fanahy maloto, dia niditra tao anatin’ny kisoa, ary rifatra nivarina teny amin’ny hantsana ho any amin’ny ranomasina ny kisoa andiany iray, tokony ho roa arivo, ka maty tao amin’ny ranomasina.


Tamin’izay, dia niala tamin-dralehilahy ny demony ka niditra tamin’ny kisoa, ary nirifatra ny andian-kisoa ka nivarina tamin’ny kisolosolo mideza ho any anaty farihy, dia maty tany.


dia natolotra araka ny lahatr’Andriamanitra tsy miovaova sy ny fahalalany mialoha, ka nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana sy novonoinareo tamin’ny tanan’ny ratsy fanahy;


ka hanatanteraka izay voatapaky ny tananao sy ny lahatrao rahateo.


Rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana hiala amin’ny tranomaizina i Satana, ka hivoaka hamitaka ny firenena amin’ny vazantany efatra, dia i Goga sy i Magôga, izay hoatra ny fasiky ny ranomasina ny isany, mba hamory azy ho amin’ny ady.