Tamin’izay, ry zareo teo an-tsambo kely dia nanatona Azy sy nitsaoka Azy nanao hoe: «Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao.»
Matio 8:27 - Baiboly Katolika Ary gaga ny olona, ka nanao hoe: «Iza io Lehilahy io no manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomasina?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Talanjona ny olona ka niteny hoe: Lehilahy manao ahoana re Io, fa na dia ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy! DIEM PROTESTANTA Gaga ny olona ka vaky vava hoe: –Avy aiza àry io Lehilahy io no manaiky Azy hatramin’ny rivotra sy ny farihy? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Gaga ny olona ka vaky vava hoe: –Avy aiza àry io Lehilahy io no manaiky Azy hatramin’ny rivotra sy ny farihy? Baiboly Protestanta Malagasy Ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Lehilahy manao ahoana re Io, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza dia manaiky Azy! Malagasy Bible Ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Lehilahy manao ahoana re Io, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza dia manaiky Azy! La Bible en Malgache Talanjona ny olona ka niteny hoe: Lehilahy manao ahoana re Io, fa na dia ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy! |
Tamin’izay, ry zareo teo an-tsambo kely dia nanatona Azy sy nitsaoka Azy nanao hoe: «Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao.»
Hany ka gaga dia gaga ireo vahoaka rehetra ireo nony nahita ny moana niteny, ny mandringa afa-mandeha, ny jamba nahiratra, ka nankalaza ny Andriamanitr’i Israely izy ireo.
Gaga i Jesoa nony nandre izany, ka hoy izy tamin’izay nanaraka Azy: «Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahaka izany aho tamin’i Israely.
Ary hoy i Jesoa taminy: «Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana?» Dia niarina izy, nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro.
Nony efa tonga teny am-pita tamin’ny tanin’ny Gerasena Izy, dia nisy lehilahy roa nidiran’ny demony, nivoaka avy tamin’ny fasana, ka namantana taminy; masiaka loatra izy ireo, ka tsy nisy sahy nihazo izany lalana izany.
Gaga ny olona rehetra ka nifampilaza hoe: «Inona ity? Fampianarana vaovao inona re ity? fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky Azy.»
Ary niakatra teo aminy teo an-tsambo kely Izy, dia nitsahatra ny rivotra, ka talanjona fatratra izy ireo,
sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe: «Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony, fa nampalady ny marenina Izy ary nampiteny ny moana.»