Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 8:17 - Baiboly Katolika

mba ho tanteraka ilay tenin’i Izaia mpaminany hoe: «Izy naka ny rofintsika, sy nitondra ny aretintsika.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

mba hahatanteraka izay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe: «Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika» (Isa 53.4).

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

hany ka tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’i Isaià mpaminany hoe: «Izy no naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

hany ka tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’i Isaià mpaminany hoe: «Izy no naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

mba, hahatanteraka izay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe: ,,Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika’’ (Isa. 53.4).

Jereo ny toko

Malagasy Bible

mba, hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika (Isa. 53. 4).

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

mba hahatanteraka izay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe: «Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika» (Isa 53.4).

Jereo ny toko



Matio 8:17
9 Rohy Ifampitohizana  

Dia nalain’i Abrahama ny hazo hataina amin’ny sorona dorana, ka natataony an’i Isaaka zanany, ary ny afo sy ny antsy kosa nentiny teny an-tanany, dia niara-nandeha izy mianaka. Fa hoy i Isaaka tamin’i Abrahama rainy:


Marina tokoa fa ny aretintsika no nentiny, ary ny fahoriantsika no nivesarany; ary isika anefa nijery Azy ho olom-boasazy, nokapohin’Andriamanitra sy naetry.


Ary izany rehetra izany no tonga, dia mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe:


Ary dia nitoetra tany izy ambara-pahafatin’i Herôda, mba ho tanteraka ny tenin’ny Tompo voalazan’ny mpaminany hoe: «Nantsoiko hiala tany Ejipta ny Zanako»


Ary nony tonga tany izy, dia nonina tao amin’ny tanàna atao hoe Nazareta, mba ho tanteraka ilay tenin’ny mpaminany hoe: «Fa hatao hoe Nazareanina izy.»


Nony hariva efa maty masoandro, dia nentina teo aminy ny marary rehetra sy ny azon’ny demony,


Nony maty ny masoandro, izay nanana marary na inona na inona aretiny dia samy nitondra ny azy teo aminy, ka nametra-tanana tamin’izy ireo tsirairay avy Izy, dia nahasitrana azy.


Izany no ifaliako amin’ny fahalemeko, amin’ny fahafaham-baraka, amin’ny fahaterena, amin’ny fanenjehana, amin’ny fahantrana, noho ny amin’i Kristy, satria ny fahalemeko no heriko.


Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.