Raha mahita olona manao azy ho hendry ianao, ny adala no misy hantenaina kokoa noho izy.
Matio 6:23 - Baiboly Katolika fa raha ratsy kosa ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra, ka raha zary maizina àry ny fahazavana izay eo amin’ny tenanao, fahamaizinana manao ahoana izany! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa raha ratsy ny masonao dia ho maizina avokoa ny tenanao manontolo; koa raha maizina ny fahazavana ao anatinao, toy inona ny halehiben’izany fahamaizinana izany! DIEM PROTESTANTA raha jamba kosa ny masonao, dia maizina ny tenanao manontolo. Eny, raha maizina ilay fahazavana ao anatinao, dia vao mainka haizim-pito no hisy anao! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara raha jamba kosa ny masonao, dia maizina ny tenanao manontolo. Eny, raha maizina ilay fahazavana ao anatinao, dia vao mainka haizim-pito no hisy anao! Baiboly Protestanta Malagasy Fa raha ratsy ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra; koa raha maizina ny fahazavana ao anatinao, manao ahoana ny halehiben’izany fahamaizinana izany! Malagasy Bible Fa raha ratsy ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra; koa raha maizina ny fahazavana ao anatinao, manao ahoana ny halehiben'izany fahamaizinana izany! La Bible en Malgache Fa raha ratsy ny masonao dia ho maizina avokoa ny tenanao manontolo; koa raha maizina ny fahazavana ao anatinao, toy inona ny halehiben’izany fahamaizinana izany! |
Raha mahita olona manao azy ho hendry ianao, ny adala no misy hantenaina kokoa noho izy.
Ny fampianarana sy ny teny vavolombelona ihany e! Fa raha manao teny hafa noho izany ny vahoaka, dia tsy misy fahazavan’ny maraina ho azy.»
Izany, dia noho ny hadalan’ny vahoakako! Fa tsy mba mahalala Ahy akory izy ireo; zaza tsy misy saina, sy tsy manam-pahalalana izy, ka ny manao ratsy no mahakinga azy; fa ny manao soa tsy fantany akory.
Tsy mahazo manao izay tiako amin’izay fananako va aho, sa ratsy ny masonao satria tsara aho?
Ny maso no jiron’ny tena: raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra;
ny halatra, ny fahihirana, ny hasomparana, ny hafetsen-dratsy, ny fijejojejoana, ny fialonana, ny vava ratsy, ny fiavonavonana, ny fahadalana;
Ny maso no jiron’ny tenanao, ka raha tsara ny masonao dia hazava ny tenanao rehetra; fa raha ratsy kosa izy, dia ho maizina koa ny tenanao.
ka izao no navaliny azy: «Ianareo no nomena ny hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’Andriamanitra, fa ny hafa kosa dia fanoharana no atao aminy, mba hijery izy fa tsy hahita, ary handre fa tsy hahafantatra.»
Tsy azon’ny olona ara-batana anefa ny zavatra avy amin’ny Fanahin’Andriamanitra; ataony ho fahadalana izany, fa tsy hainy fantarina velively, satria amin’ny Fanahy no hany amantarana izany.
fa nihamaizin-tsaina izy ireny, sy nanalavitra ny fiainan’Andriamanitra, noho ny tsy fahalalana amam-pahajambàm-pony,
Taloha ianareo no maizina, fa ankehitriny efa mazava ao amin’ny Tompo, ka mandehana toy ny zanaky ny mazava.
Fa izay mankahala ny namany dia ao anatin’ny haizina sy mandeha amin’ny maizina, ka tsy mahalala izay halehany, fa voajamban’ny haizina ny masony.