Loza ho an’izay miantso ny ratsy, soa, ary ny soa, ratsy; izay manao ny haizina ho fahazavana, sy ny fahazavana ho haizina; izay manao ny mamy ho mangidy, sy ny mangidy ho mamy.
Matio 6:22 - Baiboly Katolika Ny maso no jiron’ny tena: raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny maso no jiron’ny tena; koa amin’izany, raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao manontolo. DIEM PROTESTANTA –Ny maso no toy ny jiron’ny tena: koa amin’izany raha mahiratra ny masonao, dia mazava ny tenanao manontolo; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Ny maso no toy ny jiron’ny tena: koa amin’izany raha mahiratra ny masonao, dia mazava ny tenanao manontolo; Baiboly Protestanta Malagasy Ny maso no jiron’ny tena; koa amin’izany, raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra. Malagasy Bible Ny maso no jiron'ny tena; koa amin'izany, raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra. La Bible en Malgache Ny maso no jiron’ny tena; koa amin’izany, raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao manontolo. |
Loza ho an’izay miantso ny ratsy, soa, ary ny soa, ratsy; izay manao ny haizina ho fahazavana, sy ny fahazavana ho haizina; izay manao ny mamy ho mangidy, sy ny mangidy ho mamy.
ary tsy misy olona mampirehitra jiro, ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa eo ambonin’ny fanaovan-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano.
Nazoto niara-nankao amin’ny Tempoly isan’andro izy rehetra, sy namaky mofo tany an-tranony ary nihinan-kanina tamin-kafaliana sy fahatsoram-po,
Matahotra anefa aho fandrao ny sainareo very hadiovana amam-pahitsiam-po amin’i Kristy, toy ny namitahan’ny bibilava an’i Eva tamin’ny hafetsen-dratsiny.
Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amim-pahatahorana sy fangovitana, ary amim-pahatsoram-po, toy ny anekena an’i Kristy;
Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin’ny zavatra rehetra, tsy eo imasony ihany, toy ny mpila sitraka amin’olombelona, fa amim-pahatsoram-po sy amim-pahatahorana ny Tompo.