mba hiafina ny fiantrana ataonao, ary ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao.
Matio 6:18 - Baiboly Katolika mba tsy ho ny olona no hahita anao hoe mifady hanina, fa ny Rainao izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly soa anao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 mba tsy ho hitan’ny olona fa mifady hanina ianao, fa ho hitan’ny Rainao, izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao, izay mahita ao amin’ny mangingina, no hamaly anao. DIEM PROTESTANTA hany ka tsy ny olona no hahita anao hoe mifady hanina fa ny Rainao Izay ao amin’ny miafina; ary ny Rainao Izay mahita ao amin’ny miafina no hamaly soa anao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara hany ka tsy ny olona no hahita anao hoe mifady hanina fa ny Rainao Izay ao amin’ny miafina; ary ny Rainao Izay mahita ao amin’ny miafina no hamaly soa anao. Baiboly Protestanta Malagasy mba tsy ho hitan’ny olona fa mifady, fa ho hitan’ ny Rainao, Izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ny mangingina, no hamaly anao. Malagasy Bible mba tsy ho hitan'ny olona fa mifady, fa ho hitan'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao. La Bible en Malgache mba tsy ho hitan’ny olona fa mifady hanina ianao, fa ho hitan’ny Rainao, izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao, izay mahita ao amin’ny mangingina, no hamaly anao. |
mba hiafina ny fiantrana ataonao, ary ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao.
Fa ianao kosa raha hivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavarana dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina, ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao.
Ary izany ihany koa no ikelezanay aina mba hankasitrahin’ny Tompo, na mitoetra amin’ny vatana izahay na miala aminy.
ka rehefa voazaha toetra ny finoanareo izay ambony lavitra noho ny volamena (io anefa mba zahan-toetra amin’ny afo ihany na dia zavatra mety simba aza), dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja ho anareo izany, amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy.
Koa, noho ny Tompo, dia maneke ny lehibe rehetra voatendrin’ny olona: na ny mpanjaka, satria ambony izy,