Fa nanatona kosa i Sedesiasa zanak’i Kanaàna, ka namely ny takolak’i Mikea ary nanao hoe: «Fa taiza leity no nivoahan’ny fanahin’i Iaveh tamiko, hiteny amin’ialahy a?»
Matio 5:39 - Baiboly Katolika Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory; fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana, dia atolory azy koa ny ilany; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anao; fa na zovy na zovy no mamely tehamaina ny takolakao havanana dia atolory azy koa ny iray. DIEM PROTESTANTA Izaho kosa milaza aminareo hoe: aza mamaly ratsy izay manisy ratsy anao; fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny ilany! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izaho kosa milaza aminareo hoe: aza mamaly ratsy izay manisy ratsy anao; fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny ilany! Baiboly Protestanta Malagasy Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anao; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray. Malagasy Bible Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anareo; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray. La Bible en Malgache Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anao; fa na zovy na zovy no mamely tehamaina ny takolakao havanana dia atolory azy koa ny iray. |
Fa nanatona kosa i Sedesiasa zanak’i Kanaàna, ka namely ny takolak’i Mikea ary nanao hoe: «Fa taiza leity no nivoahan’ny fanahin’i Iaveh tamiko, hiteny amin’ialahy a?»
Asanasanany handrapaka ahy ny vavany, fetsàhany amin-datsa ny takolako, miray tetika izy rehetra hamely ahy.
Aza manao hoe: «Hamaly ratsy ny nataony aho», fa manantenà an’i Iaveh, dia hamonjy anao Izy.
Aza manao hoe: «Hataoko aminy izay nataony tamiko; hovaliako araka ny nafitsony iny olona iny.»
Natolotro tamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko; ary tamin’ireo nanongotra ny volombavako, ny takolako; ary ny tavako tsy nafeniko tamin’ny latsa sy ny rora.
Aza mamaly ratsy, na manao an-dolompo amin’ny zanaky ny firenenao. Fa tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Izaho no Iaveh.
Ary ianao, ry Betleema Efratà, kely tsy tokony ho isan’ireo arivon’i Jodà akory, avy aminao no hivoaka ho Ahy ilay tsy maintsy ho Mpanapaka amin’i Israely, ary ny niandohany dia efa hatramin’ny andro fahagola, hatramin’ny andro mandrakizay.
ary raha misy te hiady aminao mba hahazahoany ny akanjonao, dia afoizo ho azy koa ny lambanao;
notampenany ny masony, notehafiny ny tavany, dia hoy izy taminy: «Vinanio hoe izay namely Anao?»
Tamin’izay dia nitsikilo Azy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina na hanasitrana amin’ny andro sabata Izy na tsia, mba hahitany antony hiampangana Azy.
I Jesoa namaly azy hoe: «Raha ratsy ny teniko, lazao izay ratsy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely Ahy ianao?»
Efa hadisoana ho anareo sahady ny anananareo ady amin’ny namanareo, satria tsy aleo ve miaritra ny tsy an-drariny? Tsy aleo ve mandefitra sy ambakaina aza?
Tandremo fandrao misy mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza, fa ny soa ho an’ny namana sy ny olon-drehetra no katsaho mandrakariva.
Aza mamaly ratsy ny ratsy, na mamaly ompa ny ompa, fa aleo aza misaotra; satria ho amin’izany no niantsoana anareo, mba hahatonga anareo ho mpandova ny fitahiana.