I Iaveh izay ao amin’ny tempoly masina, I Iaveh izay manana ny fiandrianany any an-danitra, dia mana-maso mahiratra; ary ny hodi-masony mizaha ny zanak’olombelona hatrao anatiny.
Matio 5:34 - Baiboly Katolika Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory, na amin’ny lanitra, fa seza fiandrianan’Andriamanitra izy; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory: Na amin’ny lanitra, fa sezafiandrianan’Andriamanitra izany; DIEM PROTESTANTA Izaho kosa milaza aminareo hoe: aza mianiana mihitsy! Aza mianiana: na amin’ny lanitra, satria sezafiandrianan’Andriamanitra izany; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izaho kosa milaza aminareo hoe: aza mianiana mihitsy! Aza mianiana: na amin’ny lanitra, satria sezafiandrianan’Andriamanitra izany; Baiboly Protestanta Malagasy Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory: na amin’ny lanitra, fa seza fiandrianan’Andriamanitra izany; Malagasy Bible Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory na amin'ny lanitra, fa seza fiandrianan'Andriamanitra izany; La Bible en Malgache Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory: Na amin’ny lanitra, fa sezafiandrianan’Andriamanitra izany; |
I Iaveh izay ao amin’ny tempoly masina, I Iaveh izay manana ny fiandrianany any an-danitra, dia mana-maso mahiratra; ary ny hodi-masony mizaha ny zanak’olombelona hatrao anatiny.
Na inona na inona tsy misy avaka ny mahazo ny olombelona rehetra; sahala ny anjaran’ny marina sy ny ratsy, ny tsara sady madio, sy ny tsy madio, ny manao sorona sy ny tsy manao sorona; izay manjò ny olona tsara fanahy ihany no manjò ny mpanota koa; izay nianiana, tsy misy hafa amin’izay tsy sahy mianiana.
Fa izao no lazain’ny Avo Indrindra, izay mipetraka amin’ny fonenana mandrakizay sy antsoina hoe ilay Masina: Mitoetra eo amin’ny fitoerana avo sy masina Aho, ary koa ao amin’ny olona torotoro fo sy manetry tena am-panahy, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena, sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo.
Izao no lazain’i Iaveh: Ny lanitra no seza fiandrianako; ary ny tany no fitoeran-tongotro. Ka trano inona no hataonareo ho Ahy, ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako?
Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro kosa. Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy, hoy ny Tompo. Ary fitoerana toy inona no ho fitsaharako?
Fa alohan’ny zavatra rehetra, ry kristianina havako, dia aza mianiana akory, na amin’ny lanitra, na amin’ny tany, na amin’ny zavatra hafa; fa aoka ny fanaikinareo ho eny, ary ny fandavanareo ho tsia, mba tsy hiharan’ny fitsarana aminareo;