Moa tsy varifitoventy monja va no vidin’ny fody roa. Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka amin’ny tany iray akory raha tsy avelan’ny Rainareo.
Matio 5:26 - Baiboly Katolika Lazaiko aminao marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny kaodiranta farany indrindra. DIEM PROTESTANTA Lazaiko marina aminao fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao ambara-panèfanao ny iraimbilanja farany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Lazaiko marina aminao fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao ambara-panèfanao ny iraimbilanja farany. Baiboly Protestanta Malagasy Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy hianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra. Malagasy Bible Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra. La Bible en Malgache Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny kaodiranta* farany indrindra. |
Moa tsy varifitoventy monja va no vidin’ny fody roa. Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka amin’ny tany iray akory raha tsy avelan’ny Rainareo.
Dia tezitra ny tompony, ka natolony ny mpampijaly izy, ambara-pandoany ny trosa rehetra.
Ary dia hiteny amin’ireo eo ankaviany kosa indray izy ka hanao hoe: Mialà amiko ianareo, ry voaozona, mba ho any amin’ny afo mandrakizay izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny.
Dia ho any amin’ny fijaliana mandrakizay ireo, fa ny marina kosa, ho any amin’ny fiainana mandrakizay.
Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa, ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy.
Fa raha miara-mandeha amin’izay manana ady aminao ianao hanatrika ny mpitsara, dia ataovy izay hahafahanao aminy raha mbola eny an-dalana ianareo, fandrao tongany any amin’ny mpitsara ianao ka atolotry ny mpitsara amin’ny mpamatotra an-tranomaizina.
Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao ambara-pahaloanao ny variraiventy farany indrindra.
Sady amin’ireto toerantsika ireto, dia misy hantsana makadiry natao hanelanelana antsika, ka izay te hiala atỳ hankany aminareo tsy afaka; ary izay eny kosa tsy afaka miampita atỳ.›
Fahaverezana mandrakizay, lavitra ny Tavan’ny Tompo, sy ny voninahitry ny heriny, no havaliny an’ireny,
Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran’izay tsy namindra fo; ary ny famindram-po no maharesy ny fitsarana.