Toy ny fihiratry ny andro maraina ny lalan’ny marina, ka mitombo hazavana hatramin’ny fiposahan’ny andro.
Matio 5:14 - Baiboly Katolika Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao: tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. DIEM PROTESTANTA Ianareo no fahazavana ho an’izao tontolo izao; tsy azo afenina ny tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ianareo no fahazavana ho an’izao tontolo izao; tsy azo afenina ny tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. Baiboly Protestanta Malagasy Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. Malagasy Bible Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. La Bible en Malgache Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. |
Toy ny fihiratry ny andro maraina ny lalan’ny marina, ka mitombo hazavana hatramin’ny fiposahan’ny andro.
Izao no lazain’i Iaveh, Tompo: Iny ilay Jerosalema nataoko eo afovoan’ny firenena, ary faritany malalaka no manodidina azy.
Minoa ny fahazavana dieny mbola eo aminareo ny fahazavana, mba ho zanaky ny fahazavana ianareo.» Nony voalazan’i Jesoa izany, dia lasa Izy niery azy ireo.
I Joany dia jiro nirehitra sy nazava, ka nahafinaritra anareo sy nifalianareo vetivety ny fahazavany.
Ary niteny tamin’ny olona indray i Jesoa, ka nanao hoe: «Izaho no fahazavan’izao tontolo izao: izay manaraka Ahy tsy mandeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ny fiainana.»
Aza manao fikambanan-jioga hafahafa amin’ny tsy mpino ianareo; satria, inona moa no ikambanan’ny fahamarinana sy ny faharatsiana? Na inona no iraisan’ny mazava sy ny maizina?
mba ho madio tsy manan-tsiny, ary zanak’Andriamanitra tsy misy kiany ianareo eo afovoan’ny karazan’olona ratsy sy mafy fo, izay amirapiratan’ny tenanareo tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao,
fa zanaky ny mazava avokoa ianareo, ary zanaky ny andro koa; tsy misy an’ny alina isika, na an’ny maizina akory.
izao no hevitry ny kintana fito hitanao teo an-tanako ankavanana, sy ny fanaovan-jiro volamena fito: ny kintana fito moa dia ny Anjelin’ny Eglizy fito; ary ny fanaovan-jiro fito kosa dia ny Eglizy fito.»
Koa tsarovinao izay nihemoranao dia mibebaha, ka miverena amin’ny asanao voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho, ka hanesotra ny fanaovan-jironao amin’ny fitoerany raha tsy mibebaka ianao.