Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 4:21 - Baiboly Katolika

Dia mbola nandroso ihany Izy, ka nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny izay teo an-tsambo niaraka tamin’i Zebede rainy, nanamboatra ny haratony; ary nantsoiny izy mirahalahy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary raha mbola nandroso Izy dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakoba, zanak’i Zebedio, sy i Jaona, rahalahiny, izay niara-nipetraka tamin’i Zebedio rainy teo an-tsambokely ka nanamboatra ny haratony; ary niantso azy mirahalahy koa Izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary nandroso ihany i Jesoa ka nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakôba sy i Jôhany zanak’i Zebedeo; tafaraka tamin’i Zebedeo rainy teo an-tsambokely izy roa lahy ary nanamboatra harato.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary nandroso ihany i Jesoa ka nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakôba sy i Jôhany zanak’i Zebedeo; tafaraka tamin’i Zebedeo rainy teo an-tsambokely izy roa lahy ary nanamboatra harato.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary raha mbola nandroso Izy, dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia Jakoba zanak’i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, izay niara-nipetraka tamin’i Zebedio rainy teo an-tsambokely ka namboatra ny haratony; ary niantso azy mirahalahy Izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary raha mbola nandroso Izy, dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia Jakoba zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, izay niara-nipetraka tamin'i Zebedio rainy teo an-tsambokely ka namboatra ny haratony; ary niantso azy mirahalahy Izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary raha mbola nandroso Izy dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakoba, zanak’i Zebedio, sy i Jaona, rahalahiny, izay niara-nipetraka tamin’i Zebedio rainy teo an-tsambokely ka nanamboatra ny haratony; ary niantso azy mirahalahy koa Izy.

Jereo ny toko



Matio 4:21
12 Rohy Ifampitohizana  

Ary ireto no anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy: Ny voalohany dia Simôna izay atao hoe Piera, dia Andre rahalahiny,


Rehefa afaka henemana taorian’izany, nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany rahalahiny, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo.


Ary nitondra an’i Piera sy izy roalahy zanak’i Zebede hiaraka aminy Izy, dia nanomboka nozoin’alahelo sy fahoriana mafy.


Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo, ka nanaraka Azy.


Nandao ny haratony sy ny rainy niaraka tamin’izay izy ireo, ka nanaraka Azy.


ary i Jakôba, zanak’i Zebede sy i Joany rahalahin’i Jakôba izay nomeny fanampin’anarana koa hoe Boanerijesy, izany hoe zana-baratra;


Ary tsy nisy navelany hanaraka Azy afa-tsy i Piera sy i Jakôba ary i Joany rahalahin’i Jakôba.


Tafaraka i Simôna Piera sy i Tomà izay atao hoe Didimo, ary i Natanaely izay avy tany Kanàn’i Galilea, mbamin’ireo zanak’i Zebede sy mpianatra roa lahy hafa koa.


Nasainy novonoina tamin’ny sabatra i Jakôba rahalahin’i Joany.