Dia niala teo aminy i Elisea, ka nalainy ny omby roa mikambana sy novonoiny, ary ny jiogan’ny omby no nandrahoany ny henany, ary nomeny hohanin’ny olona izany, vao niainga izy nanaraka an’i Elia sy nanompo azy.
Matio 4:20 - Baiboly Katolika Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo, ka nanaraka Azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ireo ka nanaraka Azy. DIEM PROTESTANTA Dia nilaozany avy hatrany ny haratony ka lasa izy roa lahy niaraka tamin’i Jesoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nilaozany avy hatrany ny haratony ka lasa izy roa lahy niaraka tamin’i Jesoa. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ka nanaraka Azy. Malagasy Bible Dia nandao ny harato niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy. La Bible en Malgache Dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ireo ka nanaraka Azy. |
Dia niala teo aminy i Elisea, ka nalainy ny omby roa mikambana sy novonoiny, ary ny jiogan’ny omby no nandrahoany ny henany, ary nomeny hohanin’ny olona izany, vao niainga izy nanaraka an’i Elia sy nanompo azy.
Izay tia ny rainy sy ny reniny mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy; ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy.
Namaly i Piera ka nanao taminy hoe: «Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra, ary nanaraka Anao, ka inona àry no ho azonay?»
Dia mbola nandroso ihany Izy, ka nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny izay teo an-tsambo niaraka tamin’i Zebede rainy, nanamboatra ny haratony; ary nantsoiny izy mirahalahy.
Dia nampiantsona ny sambo kely tamin’ny tany niaraka tamin’izay izy ireo, ka namoy ny zavatra rehetra ary nanaraka Azy.
ny hanambara ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin’ny Jentily, niaraka tamin’izay, dia tsy naka hevitra tamin’ny nofo aman-dra aho,